Estonian

Malagasy

Isaiah

63

1Kes see on, kes tuleb Edomist, erepunaste riietega Bosrast, see silmapaistva kuuega, kes sammub oma jõukülluses? 'See olen mina, õiguse kuulutaja, võimas päästma!'
1[Ny hamaliana an'i Edoma sy ny jentilisa sasany koa] Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin'ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
2Miks on su kuub punane ja riided nagu surutõrresõtkujal?
2Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an'izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
3'Mina sõtkusin surutõrt üksinda, rahvaste hulgast ei olnud ükski minuga; mina sõtkusin neid vihas ja tallasin raevus: nende verejoad pritsisid mu riiete peale ja ma määrisin kogu oma kuue.
3Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin'ny fahavinirako, dia nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
4Sest mul oli südames kättemaksupäev ja oli tulnud mu tasumisaasta.
4Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan'ny voavotro.
5Ma vaatasin, aga aitajat ei olnud, imestasin, aga ükski ei toetanud; siis aitas mind mu oma käsivars ja mulle oli toeks mu tuline viha.
5Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
6Oma vihas ma tallasin maha rahvad, purustasin nad raevus ja lasksin nende verejoad voolata maa peale.'
6Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.
7Ma meenutan Issanda heldust, Issanda kiiduväärsust, kõige selle pärast, mida Issand meile on osutanud, ja suurt headust Iisraeli soo vastu, mida ta neile on osutanud oma halastuse ja suure helduse pärast.
7[Fivavahana sy fiaiken-keloka ary fiderana noho ny famonjen'Andriamanitra hatramin'ny taloha] Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.
8Sest ta ütles: Nemad on tõesti minu rahvas, lapsed, kes ei tee pettust. Ja ta tuli neile päästjaks.
8Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
9Kõigis nende ahistustes tundis ta ahistust ja tema palge ingel päästis nad. Armastuse ja kaastunde pärast ta lunastas nad, tõstis nad üles ja kandis neid kõigil muistseil päevil.
9Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.
10Aga nad tõstsid mässu ja kurvastasid tema Püha Vaimu; seepärast ta muutus nende vaenlaseks, võitles ise nende vastu.
10Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
11Siis nad meenutasid muistseid päevi, Moosest ja tema rahvast: Kus on see, kes tõi veest välja oma lammaste karjase? Kus on see, kes pani tema sisse oma Püha Vaimu,
11Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin'i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin'ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin'ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
12kes oma aulist käsivart laskis käia Moosese paremal pool, kes lõhestas nende ees veed, et teha enesele igavest nime,
12Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan'i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
13kes talutas neid sügavustest läbi otsekui hobust kõrbes, et nad ei komistaks?
13Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan'ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?
14Otsekui karja, kes läheb alla orgu, viis Issanda Vaim neid puhkepaika. Nõnda juhtisid sa oma rahvast, et teha enesele aulist nime.
14Tahaka ny fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
15Vaata taevast alla ja näe oma pühast ja aulisest eluasemest. Kus on su püha viha ja su võimsad teod, su seesmine liigutus ja su halastus? Ära hoia neid tagasi!
15Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin'ny fonenan'ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin'ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
16Sest sina oled meie isa! Aabraham ju meist ei tea ja Iisrael meid ei tunne. Sina, Issand, oled meie isa, muistsest ajast on su nimi Meie Lunastaja.
16Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
17Miks lased meid, Issand, eksida sinu teedelt, lased meie südame kõvaks jääda, nõnda et me sind ei karda? Pöördu oma sulaste, oma pärisosa suguharude pärast!
17Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin'ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
18Ainult üürikeseks ajaks oli su pühitsetud rahvas pärijaks, siis tallasid meie vaenlased su pühamu.
18Vetivety foana no nananan'ny olonao masina ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masina.Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra, [Na: hiempo]
19Meie oleme nagu need, keda sa iialgi ei ole valitsenud, keda ei ole nimetatud sinu nimega.
19Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra, [Na: hiempo]