1Nõnda ütleb Issand: 'Mine ja osta potissepa tehtud savikruus, võta kaasa rahva vanemaid ja preestrite vanemaid
1[Fanoharana ny amin'ny tavoara vaky] Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,
2ja mine välja Ben-Hinnomi orgu, mis on Potikillu värava ees, hüüa seal need sõnad, mis ma sulle räägin,
2dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,[Harsota = tavim-bilany(?)]
3ja ütle: Kuulge Issanda sõna, Juuda kuningad ja Jeruusalemma elanikud! Nõnda ütleb vägede Issand, Iisraeli Jumal: Vaata, ma lasen tulla sellele paigale niisuguse õnnetuse, et igaühel, kes sellest kuuleb, hakkavad kõrvad kumisema,
3ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny
4sellepärast et nad hülgasid minu ja muutsid tundmatuseni selle paiga ning suitsutasid seal teistele jumalatele, keda ei tundnud nemad ise ega nende vanemad ja Juuda kuningad, ja täitsid selle paiga süütute verega
4satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanàna ity
5ning ehitasid ohvrikünkaid Baalile, et põletada tules oma lapsi Baalile põletusohvriks, mida mina ei ole käskinud ega millest ma ei ole rääkinud ja mis mulle ei ole meeldegi tulnud.
5ary nanorina ny fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
6Seepärast, vaata, päevad tulevad, ütleb Issand, kui seda paika enam ei nimetata Põletuspaigaks ega Ben-Hinnomi oruks, vaid Tapaoruks.
6Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7Ja ma tühistan siin paigas Juuda ja Jeruusalemma nõu ning lasen neid langeda mõõga läbi nende vaenlaste ees, ja nende käe läbi, kes ihkavad võtta neilt elu; ja ma annan nende laibad roaks taeva lindudele ja maa loomadele.
7Ary hofoanako amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.[Heb. hararako]
8Ja ma teen selle linna jubeduseks ja pilkealuseks. Igaüks, kes sellest mööda läheb, kohkub ja vilistab kõigi selle nuhtluste pärast.
8Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
9Ja ma panen nad sööma oma poegade ja tütarde liha, ja nad söövad üksteise liha piiramise ajal ja kitsikuses, millega nende vaenlased ja need, kes püüavad nende elu, neid kimbutavad.
9Ary hampihinaniko ny nofon'ny zananilahy sy ny nofon'ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon'ny namany avy izy eo amin'ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren'ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10Siis purusta kruus nende meeste nähes, kes koos sinuga on tulnud,
10Dia torotoroy eo imason'ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,
11ja ütle neile: Nõnda ütleb vägede Issand: Nõndasamuti purustan ma selle rahva ja selle linna, otsekui purustatakse potissepa astja, mida ei saa enam parandada; ja Põletuspaika maetaksegi, sest muud matmispaika ei ole.
11ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.
12Nõnda talitan ma selle paigaga, ütleb Issand, ja selle elanikega, et teha seda linna Põletuspaiga sarnaseks.
12Dia toy izany no hataoko amin'ity tanàna ity sy amin'izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an'i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah.
13Jeruusalemma kojad ja Juuda kuningate kojad saavad Põletuspaiga taoliselt rüvetatuiks, kõik kojad, mille katustel on suitsutatud kõigile taevavägedele ja on valatud joogiohvreid teistele jumalatele.'
13Ary ny tranon'i Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an'i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an'izay andriamani-kafa.
14Kui Jeremija tuli Põletuspaigast, kuhu Issand oli ta läkitanud prohvetlikult kuulutama, siis ta seisis Issanda koja õues ning ütles kogu rahvale:
14[Ny faminanian'i Jeremia ny loza, sy ny nanoheran'i Pasora azy] Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.
15'Nõnda ütleb vägede Issand, Iisraeli Jumal: Vaata, ma toon sellele linnale ja kõigile ta linnadele õnnetuse, mille ma temale olen tõotanud, sest nad on teinud oma kaela kangeks, et mitte kuulda minu sõnu.'
15Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.