Estonian

Malagasy

Jeremiah

2

1Ja mulle tuli Issanda sõna; ta ütles:
1[Ny fivadihan'ny Isiraely ampitahaina amin'ny tsi-fiovan'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
2'Mine ja kuuluta Jeruusalemma kuuldes ning ütle: Nõnda ütleb Issand: Ma mäletan su noorpõlve kiindumust, su mõrsjapõlve armastust, kui sa käisid mu järel kõrbes, külvamata maal.
2Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan'i Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan'ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin'ny tany tsy mbola nifafy zavatra;
3Iisrael oli pühitsetud Issandale, olles tema uudsevili: kõik, kes teda sõid, said süüdlasteks, nende peale tuli õnnetus, ütleb Issand.
3Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
4Kuulge Issanda sõna, Jaakobi sugu ja kõik Iisraeli soo suguvõsad!
4Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry taranak'i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin'ny taranak'Isiraely!
5Nõnda ütleb Issand: Missuguse ülekohtu leidsid teie vanemad minus, et nad läksid minust eemale ja käisid tühjuse järel ning said tühjuseks?
5Izao no lazain'i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
6Nad ei küsinud: 'Kus on Issand, kes tõi meid Egiptusemaalt, kes juhtis meid kõrbes, lagedal ja auklikul maal, põuasel ja süngel maal, kus ei käi mitte keegi ja kus ei ela ükski inimene?'
6Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona?
7Mina tõin teid viljakale maale sööma selle vilja ja hüvesid; aga jõudnud sinna, te roojastasite mu maa ja tegite mu pärisosa jäleduseks.
7Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
8Preestrid ei küsinud: 'Kus on Issand?' Seaduse seletajad ei tundnud mind, karjased astusid üles mu vastu, prohvetid ennustasid Baali nimel ja käisid asjade järel, millest pole abi.
8Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry]
9Sellepärast ma veel riidlen teiega, ütleb Issand, ja riidlen ka teie laste lastega.
9Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin'ny zafinareo koa.
10Sest käige läbi kittide saared ja vaadake, läkitage Keedarisse, pange hästi tähele ja vaadake: kas seal on sündinud sellesarnast?
10Fa mità ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
11Kas on ükski rahvas vahetanud oma jumalaid, kuigi need ei olegi jumalad? Aga minu rahvas on vahetanud oma Aulise selle vastu, millest pole abi.
11Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny.
12Hämmastu sellest, taevas, vabise väga, ütleb Issand.
12Talanjona amin'izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;
13Sest mu rahvas on teinud kahekordse süüteo: minu, elava vee allika, jätsid nad maha, et raiuda enestele kaevusid, pragulisi kaevusid, mis ei pea vett.
13Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
14Kas Iisrael on sulane? Või on ta pärisori? Miks ta sai riisutavaks?
14Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
15Tema vastu möirgasid noored lõvid, andsid kuulda oma häält; nad tegid ta maa kõledaks, ta linnad on varemeis, elaniketa.
15Hamely azy no ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
16Ka Noofi pojad ja tahpaneeslased on su pealae paljaks püganud.
16Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.[Heb. Nofa]
17Eks sa ise ole seda enesele teinud, hüljates Issanda, oma Jumala, siis kui ta saatis sind teekonnal?
17Moa tsy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?
18Miks on sul nüüd vaja minna Egiptusesse jooma Siihori vett? Ja miks on sul vaja minna Assurisse jooma Frati vett?
18Koa inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora? Ary inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin'ny Ony? [Neily][Eofrata]
19Sind karistab su oma kurjus ja noomivad su taganemised. Mõista ja näe, et see on halb ja kibe, kui sa jätad maha Issanda, oma Jumala, kui sul pole kartust minu ees, ütleb Issand, vägede Issand.
19Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
20Sest ammusest ajast oled sa murdnud oma ikke, rebinud katki oma köidikud ja öelnud: 'Mina ei taha teenida!' Jah, igale kõrgemale künkale ja iga halja puu alla laskusid sa truudust murdma.
20Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
21Mina olen sind istutanud heaks viinapuuks täiesti puhtast seemnest; kuidas sa küll oled muutunud mulle võõraks kärbunud viinapuuks?
21Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
22Kuigi sa ennast peseksid leelisega ja võtaksid palju seepi, jääb su süü minu ees mustuselaiguks, ütleb Issand Jumal.
22Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.[Na: maloto]
23Kuidas sa võid öelda: 'Mina ei ole ennast roojastanud, mina ei ole käinud baalide järel!'? Vaata oma teekonda orus, mõista, mis sa oled teinud, sa indlev kaamelimära, kes jooksed oma teedel sinna ja tänna,
23Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,
24metsemaeesel kõrbes, kes kangest innast ahmib tuult. Kes saaks keelata tema kiima? Ühelgi, kes teda otsib, ei ole vaja ennast väsitada: ta leiab tema ta innaajal.
24Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin'ny volany no hahitany azy.
25Hoia oma jalga paljaks jäämast ja oma kurku janu eest! Aga sina ütled: 'Asjata! Ei, sest ma armastan võõraid ja käin nende järel.'
25Aza esorina ny kapa amin'ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.
26Otsekui varas jääb häbisse, kui ta tabatakse, nõnda jääb häbisse Iisraeli sugu: nemad, nende kuningad, vürstid, preestrid ja prohvetid,
26Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
27need, kes ütlevad puule: 'Sina oled mu isa', ja kivile: 'Sina oled mu sünnitanud', sest nad on pööranud mu poole kukla, aga mitte näo. Ent oma hädaajal nad ütlevad: 'Tõuse ja päästa meid!'
27Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
28Aga kus on su jumalad, keda sa enesele valmistasid? Tõusku nemad, kui nad su hädaajal suudavad sind päästa! Sest nõnda palju kui sul on linnu, on sul jumalaid, Juuda.
28Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao.
29Mispärast riidlete minuga? Teie kõik olete astunud üles mu vastu, ütleb Issand.
29Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
30Ilmaaegu olen ma löönud teie lapsi, nad ei ole võtnud õpetust. Teie oma mõõk on õginud teie prohvetid, otsekui murdja lõvi.
30Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana]
31Oh teie sugupõlve! Nähke Issanda sõna: kas olen mina olnud Iisraelile kõrbeks või pilkase pimeduse maaks? Mispärast ütleb mu rahvas: 'Me oleme vabad käima sinna-tänna, me ei tule enam sinu juurde!'?
31Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah]
32Kas neitsi unustab oma ehte, pruut oma paelad? Aga minu rahvas on unustanud minu loendamatuil päevil.
32Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.
33Kui hästi sa oskad otsida armastust! Seepärast sa oledki harjunud kurjaga oma kommetes.
33Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao![Na: Ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao]
34Su kuuepalistustelt leitakse ka vaeste süütute verd, kuigi sa ei ole tabanud neid sissemurdmiselt.
34Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.
35Aga kõige selle juures ütled sa ometi: 'Ma olen süütu, ta viha pöördub tõesti mu pealt.' Vaata, ma lähen sinuga kohtusse, sellepärast et sa ütled: 'Ma pole pattu teinud!'
35Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
36Miks jooksed sa nii kerglaselt kord siia, kord sinna? Ka Egiptuse pärast pead sa häbenema, nagu sa häbenesid Assuri pärast.
36Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin'i Asyria.Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao.
37Ka siit tuleb sul ära minna käed pea peal, sest Issand põlgab neid, kelle peale sa loodad, ja sul ei õnnestu ennast päästa.
37Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao.