1Daavid rakennutti itselleen taloja Jerusalemiin, ja hän määräsi myös paikan Jumalan liitonarkulle ja pystytti sitä varten teltan.
1[Ny amin'ny nitondrana ny fiara niakatra tany Jerosalema] Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan'i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an'ny fiaran'Andriamanitra.
2Sitten hän sanoi: "Ainoastaan leeviläiset saavat kantaa Jumalan arkkua, sillä heidät Herra on valinnut kantamaan sitä ja palvelemaan häntä ikuisesti."
2Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
3Daavid kutsui kaikki israelilaiset Jerusalemiin, jotta he yhdessä noutaisivat Herran arkun siihen paikkaan, jonka hän oli sitä varten varannut.
3Dia novorin'i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran'i Jehovah ho any amin'ny fitoerana izay namboariny ho azy.
4Hän kokosi myös Aaronin jälkeläiset ja leeviläiset:
4Ary novorin'i Davida ny taranak'i Arona sy ny Levita:
5Kehatin sukua 120 miestä, päämiehenä Uriel,
5tamin'ny taranak'i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;
6Merarin sukua 220 miestä, päämiehenä Asaja,
6tamin'ny taranak'i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;
7Gersomin sukua 130 miestä, päämiehenä Joel,
7tamin'ny taranak'i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;
8Elisafanin sukua 200 miestä, päämiehenä Semaja,
8tamin'ny taranak'i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;
9Hebronin sukua 80 miestä, päämiehenä Eliel,
9tamin'ny taranak'i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,
10ja Ussielin sukua 112 miestä, päämiehenä Amminadab.
10tamin'ny taranak'i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin'ny folo amby zato.
11Sitten Daavid kutsui papeista Sadokin ja Abjatarin sekä leeviläisistä Urielin, Asajan, Joelin, Semajan, Elielin ja Amminadabin
11Ary Davida niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
12ja sanoi heille: "Leeviläisten sukujen päämiehet! Puhdistautukaa ja pyhittäkää itsenne ja veljenne ja tuokaa sitten Herran, Israelin Jumalan, liitonarkku paikkaan, jonka olen sitä varten valmistanut.
12ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan'ny fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin'ilay namboariko ho azy.
13Koska te ette viime kerralla olleet mukanamme, niin Herra, meidän Jumalamme, löi meitä. Emme osanneet lähestyä häntä oikealla tavalla."
13Satria tsy ianareo no tamin'ilay teo, dia nasian'i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.
14Papit ja leeviläiset puhdistautuivat ja pyhittivät itsensä Herran, Israelin Jumalan, arkun noutamista varten.
14Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
15Sitten leeviläiset nostivat Jumalan arkun tankojen varassa olkapäilleen, niin kuin Mooses Herran sanan mukaisesti oli käskenyt.
15Ary ny Levita nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny tenin'i Jehovah.
16Daavid käski leeviläisten päämiesten asettaa heimolaisistaan laulajat laulamaan riemuvirsiä lyyran, harpun ja symbaalien säestyksellä.
16Ary ireo lehiben'ny Levita dia nasain'i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin'ny fifaliana.
17Tähän tehtävään leeviläiset asettivat Hemanin, Joelin pojan, ja hänen sukulaisistaan Asafin, Berekjan pojan, sekä lisäksi Merarin jälkeläisistä Etanin, Kusajan pojan.
17Ka dia notendren'ny Levita Hemana, zanak'i Joela; ary tamin'ny rahalahiny dia Asafa, zanak'i Berekia; ary tamin'ny taranak'i Merary rahalahiny dia Etana, zanak'i Kosaia;
18Heidän avustajinaan toimivat heidän heimolaisensa Sakarja, Jaasiel, Semiramot, Jehiel, Unni, Eliab, Benaja, Maaseja, Mattitja, Elifelehu, Mikneja, Obed-Edom ja Jeiel, jotka olivat ovenvartijoita.
18ary naman'ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.
19Laulajista Hemanin, Asafin ja Etanin tuli helisyttää pronssisymbaaleja,
19Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
20Sakarjan, Asielin, Semiramotin, Jehielin, Unnin, Eliabin, Maasejan ja Benajan tuli soittaa lyyraa korkeassa äänialassa
20Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin'ny Alamota.
21ja Mattitjan, Elifelehun, Miknejan, Obed-Edomin, Jeielin ja Asasjan säestää laulua harpuilla matalassa äänialassa.
21Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin'ny Seminita ho mpitarika.
22Kenanja, leeviläisten laulajien päämies, johti laulua, koska hänellä oli siihen erityinen taito.
22Ary Kenania, lehiben'ny Levita, no tonian'ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.[Na: ny hira]
23Berekja ja Elkana olivat arkun vartijoina.
23Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin'ny fiara.
24Sebanja, Josafat, Netanel, Amasai, Sakarja, Benaja ja Elieser, jotka olivat pappeja, soittivat torvia Jumalan arkun edessä. Myös Obed-Edom ja Jehia toimivat arkun vartijoina.
24Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin'ny fiara.
25Sitten Daavid, Israelin vanhimmat ja tuhannenpäälliköt lähtivät kaikkien riemuitessa kuljettamaan Herran liitonarkkua Obed-Edomin talosta.
25Ary Davida sy ny loholon'ny Isiraely mbamin'ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamin'ny fifaliana.
26Kun leeviläiset Jumalan avulla lähtivät kantamaan liitonarkkua, uhrattiin seitsemän sonnia ja seitsemän pässiä.
26Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.
27Daavid oli vaatetettu hienoimmasta pellavasta tehtyyn viittaan, ja samoin olivat vaatetetut arkkua kantavat leeviläiset, laulajat ja Kenanja, joka johti laulua. Daavidilla oli yllään myös pellavainen kasukka.
27Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.
28Niin Israelin väki nouti Herran liitonarkun riemuhuutojen raikuessa ja torvien, trumpettien ja symbaalien, lyyrain ja harppujen soidessa.
28Toy izany no nampakaran'ny Isiraely rehetra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tamin'ny fihobiana sy ny feon'ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin'ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
29Mutta kun Herran liitonarkku oli tulossa Daavidin kaupunkiin, Saulin tytär Mikal katseli ikkunasta. Nähdessään kuningas Daavidin tanssivan ja karkeloivan Mikal mielessään halveksi häntä.
29Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.