1Sen jälkeen Daavid voitti ja kukisti filistealaiset ja otti heiltä haltuunsa Gatin ja sen ympärillä olevat kylät.
1[Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina.
2Hän löi myös moabilaiset, ja näistä tuli hänen alamaisiaan, jotka maksoivat hänelle veroa.
2Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.
3Samoin hän löi Hadadeserin, Soba- Hamatin kuninkaan, kun tämä oli lähdössä sotaan ulottaakseen valtansa Eufratvirralle asti.
3Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.[Na: nanangana saina]
4Daavid sai häneltä saaliiksi tuhat sotavaunua ja otti vangiksi seitsemäntuhatta vaunumiestä ja kaksikymmentätuhatta jalkamiestä. Hevosia hän säästi sata, kaikilta muilta hän katkaisi jalkajänteet.
4Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5Kun Damaskoksen aramealaiset tulivat auttamaan Soban kuningasta Hadadeseria, Daavid löi heidät ja surmasi kaksikymmentäkaksituhatta miestä.
5Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
6Hän asetti Damaskoksen aramealaisten maahan varuskuntia, ja aramealaisista tuli hänen alamaisiaan, jotka maksoivat hänelle veroa. Ja Herra antoi Daavidille voiton kaikkialla minne hän meni.
6Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
7Daavid otti Hadadeserin miesten kullatut nuolikotelot ja vei ne Jerusalemiin.
7Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
8Tibhatista ja Kunista, Hadadeserin kaupungeista, Daavid otti suuret määrät kuparia. Siitä Salomo teki pronssialtaan, pronssipylväät ja pronssiset uhrivälineet.
8Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.[Heb. ranomasina]
9Kun Hamatin kuningas Tou kuuli, että Daavid oli lyönyt Soban kuninkaan Hadadeserin sotavoimat,
9Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,
10hän lähetti poikansa Hadoramin tervehtimään kuningas Daavidia ja onnittelemaan häntä siitä, että hän oli voittanut Hadadeserin. Hadadeser oli näet ollut Toun vastustaja. Hadoram toi mukanaan hopea-, kulta- ja kupariesineitä,
10dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
11ja Daavid pyhitti ne Herralle yhdessä sen hopean ja kullan kanssa, jonka hän oli ottanut saaliiksi muilta kansoilta, edomilaisilta, moabilaisilta, ammonilaisilta, filistealaisilta ja amalekilaisilta.
11Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
12Abisai, Serujan poika, löi Suolalaaksossa kahdeksantoistatuhatta edomilaista.
12Ary Abisay, zanak'i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
13Hän asetti varuskuntia Edomiin, ja kaikki edomilaiset joutuivat Daavidin alamaisiksi. Ja Herra antoi Daavidille voiton kaikkialla minne hän meni.
13Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
14Daavid hallitsi koko Israelia ja kohteli aina kansaansa lain ja oikeuden mukaan.
14[Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana.
15Sotaväen päällikkönä oli Joab, Serujan poika, ja kuninkaan sihteerinä Josafat, Ahiludin poika.
15Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
16Sadok, Ahitubin poika, ja Ahimelek, Abjatarin poika, olivat pappeina, ja kirjurina oli Savsa.
16Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]
17Benaja, Jojadan poika, oli kreettien ja pleettien päällikkönä, ja Daavidin vanhimmat pojat olivat kuninkaan neuvosmiehinä.
17Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]