1Kun seuraavana keväänä oli taas kuninkaiden sotaanlähdön aika, Joab vei joukkonsa sotaretkelle. Hän hävitti ammonilaisten maan ja ryhtyi piirittämään Rabbaa. Daavid itse jäi Jerusalemiin, mutta Joab valloitti Rabban ja hävitti sen.
1Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an'i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an'i Raba, ka dia nandrava azy.
2Daavid otti ammonilaisten kuninkaan päästä jalokivin koristetun kultaisen otsarivan, talentin painoisen, ja siitä tuli hänen kruununsa. Hän vei kaupungista runsaasti muutakin saalista.
2Dia nesorin'i Davida ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.[Na: Malkama; ]
3Kaupungin asukkaat hän kuljetti pois ja pani pakkotyöhön: toiset joutuivat sahaamaan kiviä, toiset saivat käteensä rautaisen kuokan tai kirveen. Näin Daavid teki kaikille ammonilaisten kaupungeille. Sen jälkeen hän palasi koko sotaväki mukanaan Jerusalemiin.
3Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Heb. notsofiny]
4Myöhemmin syntyi Geserissä filistealaisten kanssa taistelu, jossa husalainen Sibbekai surmasi Sippain, Rafan jälkeläisen, ja filistealaiset voitettiin.
4[Ny nataon'ny lehilahy maherin'i Davida tamin'ny niadiany tamin'ny Filistina] Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.
5Sitten syntyi taas taistelu filistealaisten kanssa, ja Elhanan, Jairin poika, surmasi Lahmin, gatilaisen Goljatin veljen, jonka keihäänvarsi oli kuin kangaspuiden tukki.
5Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.
6Ja jälleen syntyi Gatissa taistelu. Siellä oli jättiläiskokoinen mies, jolla oli kummassakin kädessä kuusi sormea ja kummassakin jalassa kuusi varvasta, yhteensä kaksikymmentäneljä; hänkin oli Rafan jälkeläisiä.
6Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita.
7Hän pilkkasi israelilaisia, mutta Jonatan, Daavidin veljen Simean poika, surmasi hänet.
7Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.
8Näin nämä gatilaiset Rafan jälkeläiset kaatuivat Daavidin ja hänen miestensä lyöminä.
8Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.