Pyhä Raamattu

Malagasy

1 Kings

17

1Elia, joka oli kotoisin Gileadin Tisbestä, ennusti Ahabille: "Niin totta kuin Herra, Israelin Jumala, elää, hän, jota minä palvelen: näinä vuosina ei tule kastetta eikä sadetta muutoin kuin minun sanani voimasta."
1[Ny niandohan'ny asan'i Elia mpaminany] Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
2Elialle tuli sitten tämä Herran sana:
2Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
3"Lähde täältä, kulje itään päin ja piiloudu Keritinpuron uomaan, joka on Jordanin tuolla puolen.
3Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana.
4Siellä voit juoda purosta, ja minä olen käskenyt korppien tuoda sinulle ruokaa."
4Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
5Hän lähti matkaan ja teki niin kuin Herra oli käskenyt. Hän meni Keritinpurolle, joka on Jordanista itään, ja jäi sinne.
5Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana.
6Korpit toivat hänelle aamuin illoin leipää ja lihaa, ja purosta hän sai juodakseen.
6Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany.
7Jonkin ajan kuluttua puro kuitenkin kuivui, koska koko maassa ei ollut satanut.
7Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany.
8Elialle tuli silloin tämä Herran sana:
8Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:
9"Lähde Sidonin alueen Sarpatiin ja asetu sinne. Minä olen käskenyt erästä leskivaimoa pitämään sinusta siellä huolta."
9Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
10Elia lähti Sarpatiin. Tullessaan kaupungin portille hän näki leskivaimon keräämässä polttopuita. Elia huusi hänelle: "Toisitko minulle vähän vettä, että saisin juoda."
10Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko.
11Nainen lähti hakemaan vettä, ja Elia huusi hänelle vielä: "Toisitko minulle myös palan leipää."
11Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
12Mutta nainen vastasi: "Niin totta kuin Herra, sinun Jumalasi, elää, minulla ei ole jäljellä kuin kourallinen jauhoja ruukussa ja vähän ruokaöljyä pullossa. Kun saan kerätyksi vähän puita, menen kotiin ja teen jauhoista ja öljystä ruokaa itselleni ja pojalleni. Syömme sen ja sitten kuolemme."
12Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
13Elia sanoi hänelle: "Älä pelkää! Mene kotiisi ja tee niin kuin sanoit. Tee kuitenkin ensin minulle pieni leipä ja tuo se tänne. Leivo vasta sitten itsellesi ja pojallesi.
13Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
14Näin sanoo Herra, Israelin Jumala: Ei tyhjene jauhoruukku eikä ehdy öljypullo, ennen kuin Herra antaa sateen maan päälle."
14Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany.
15Leski meni ja teki niin kuin Elia oli sanonut, ja heillä kaikilla riitti syötävää pitkät ajat.
15Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
16Jauhoruukku ei tyhjentynyt eikä öljypullo ehtynyt, sillä näin oli Herra sanonut Elian suulla.
16Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia.
17Jonkin ajan kuluttua kävi niin, että talon emännän poika sairastui. Hänen tautinsa yltyi niin pahaksi, ettei hänessä lopulta ollut elonmerkkiä.
17Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy.
18Leski sanoi silloin Elialle: "Pitikö sinun sekaantua minun elämääni, Jumalan mies! Pitikö sinun tulla tänne vetämään minun syntini esiin ja tappamaan poikani!"
18Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô ? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako ?
19Elia sanoi: "Anna poika minulle." Hän otti pojan lesken sylistä, kantoi hänet huoneeseensa talon katolle ja laski hänet vuoteelleen.
19Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
20Hän rukoili Herraa sanoen: "Herra, minun Jumalani! Tahdotko todella tuottaa onnettomuuden tälle leskelle, jonka luona asun, ja surmata hänen poikansa?"
20Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
21Hän ojentautui kolmesti pojan ylle ja rukoili: "Herra, minun Jumalani! Anna hengen palata tähän poikaan!"
21Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity.
22Herra kuuli Elian pyynnön. Henki palasi poikaan, ja hän virkosi eloon.
22Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy.
23Elia nosti pojan vuoteelta ja vei hänet kattohuoneesta alas taloon. Hän antoi pojan tämän äidille ja sanoi: "Katso, poikasi elää."
23Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao.
24Nainen sanoi Elialle: "Nyt minä tiedän, että sinä olet Jumalan mies. Se, mitä sinä puhut, on todella Herran sanaa."
24Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao.