Pyhä Raamattu

Malagasy

2 Chronicles

15

1Asarjan, Odedin pojan, valtasi Jumalan henki.
1[Ny nananaran'i Azaria mpaminany an'i Asa, ary ny fahazotoan'i Asa handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah] Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda;
2Hän lähti Asan luo ja sanoi hänelle: "Asa ja kaikki Juudan ja Benjaminin miehet, kuulkaa minua! Herra on teidän kanssanne, jos te olette hänen kanssaan. Jos etsitte häntä, löydätte hänet, mutta jos hylkäätte hänet, hän hylkää teidät.
2ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
3Israel eli kauan vailla oikeaa Jumalaa, vailla pappien opetusta ja vailla lakia.
3Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an'Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
4Mutta ahdistuksessaan se palasi Herran, oman Jumalansa, luo ja etsi häntä, ja niin se löysi hänet.
4Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.
5Tuohon aikaan eivät matkamiehet voineet kulkea rauhassa, sillä kaikkialla ihmisten kesken vallitsi epäjärjestys.
5Ary tamin'izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin'ny tany.
6Kansat hyökkäsivät kansoja vastaan ja kaupungit kaupunkeja vastaan, sillä Jumala oli saattanut ne ahdingon ja sekasorron valtaan.
6Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin'ny fahoriana rehetra.
7Mutta olkaa te vahvoja älkääkä menettäkö rohkeuttanne. Te saatte teoistanne palkan."
7Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
8Kun Asa kuuli nämä profeetta Asarjan, Odedin pojan, sanat ja ennustukset, hän sai rohkeuden poistaa iljettävät epäjumalankuvat koko Juudan ja Benjaminin alueelta ja niistä kaupungeista, jotka hän oli valloittanut Efraimin vuoristosta. Hän myös kunnosti Herran alttarin, joka oli temppelin eteishallin edessä.
8Ary raha ren'i Asa izany teny izany sy ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin'ny tanàna izay azony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, sady nanavao ny alitaran'i Jehovah izay teo anoloan'ny lavarangana fidirana amin'ny tranon'i Jehovah.
9Hän kutsui koolle Juudan ja Benjaminin heimot sekä niiden keskuuteen asettuneet efraimilaiset, manasselaiset ja simeonilaiset. Näitä oli siirtynyt Israelista paljon hänen alueelleen, kun he olivat nähneet, että Herra, hänen Jumalansa, oli hänen kanssaan.
9Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin'ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin'ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.
10Asan viidennentoista hallitusvuoden kolmannessa kuussa he kaikki kokoontuivat Jerusalemiin.
10Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asa.
11Siellä he uhrasivat saaliistaan Herralle seitsemänsataa härkää ja seitsemäntuhatta lammasta.
11Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo.
12He antoivat lupauksen, että palvelisivat Herraa, isiensä Jumalaa, koko sydämestään ja sielustaan
12Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
13ja että jokaisen, joka ei palvele Herraa, Israelin Jumalaa, olisi kuoltava, olipa hän nuori tai vanha, mies tai nainen.
13ka na iza na iza tsy mety mitady an'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
14Trumpettien ja torvien soidessa ja riemun raikuessa he vannoivat tämän Herralle.
14Ary nianiana ho an'i Jehovah tamin'ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin'ny trompetra sy ny anjomara izy.
15Kaikki Juudan asukkaat iloitsivat valasta. Koska he vannoivat sen vilpittömin mielin ja kääntyivät sydämensä halusta Herran puoleen, Herra kuuli heitä ja antoi heidän elää rauhassa, kenenkään ahdistamatta.
15Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin'ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina fahizay.
16Isänsä äidiltä Maakalta kuningas Asa riisti kuningataräidin aseman, koska tämä oli pystyttänyt iljettävän kuvan asera-tarhaan. Asa kaatoi tämän iljetyksen, murskasi sen palasiksi ja poltti sen Kidroninlaaksossa.
16Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
17Uhrikukkuloista ei Israelissa kuitenkaan luovuttu. Mutta Asa itse oli koko elinaikansa täydestä sydämestään Herralle uskollinen.
17Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin'ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon'i Asa tamin'ny androny rehetra.
18Hän sijoitti Jumalan temppeliin esineet, jotka hän ja hänen isänsä olivat pyhittäneet, hopean, kullan ja kaiken muun.
18Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.
19Asan aikana vallitsi rauha hänen kolmanteenkymmenenteenviidenteen hallitusvuoteensa asti.
19Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.