1Josia oli kuninkaaksi tullessaan kahdeksanvuotias, ja hän hallitsi Jerusalemissa kolmekymmentäyksi vuotta.
1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahitana ny bokin'ny lalana] Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2Josia teki sitä, mikä on oikein Herran silmissä, ja kulki esi-isänsä Daavidin teitä, poikkeamatta oikealle tai vasemmalle.
2Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia.
3Kahdeksantena hallitusvuotenaan, ollessaan vielä nuori, Josia alkoi kysellä esi-isänsä Daavidin Jumalan tahtoa, ja kahdentenatoista vuotena hän ryhtyi hävittämään Juudasta ja Jerusalemista kukkulapyhäkköjä, asera-tarhoja sekä puisia ja metallisia epäjumalankuvia.
3Fa tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an'Andriamanitr'i Davida rainy; ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo kosa dia niantomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina intsony.
4Hänen määräyksestään hajotettiin baalien alttarit ja rikottiin niiden päälle rakennetut suitsutusalttarit. Asera-paalut ja jumalankuvat murskattiin pieniksi palasiksi ja siroteltiin niiden haudoille, jotka olivat uhranneet niille.
4Ary noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin'ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy. [Na: tsangam-bato]
5Pappien luut Josia poltti heidän omilla alttareillaan. Näin hän puhdisti Juudan ja Jerusalemin.
5Ary nandoro ny taolan'ny mpisorona teo ambonin'ny alitarany izy, ka dia nanadio an'i Joda sy Jerosalema.
6Manassen, Efraimin ja Simeonin alueen kaupungeista aina Naftalin alueelle asti
6Ary tany amin'ny tanànan'ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin'ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava,
7hän särki alttarit ja asera-paalut, ja kaikkialla Israelissa hän löi pirstaleiksi epäjumalankuvat ja rikkoi suitsutusalttarit. Sitten hän palasi Jerusalemiin.
7dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.[Na: tsangam-bato]
8Kahdeksantenatoista hallitusvuotenaan, saatuaan temppelin ja koko maan puhdistetuksi, Josia lähetti Safanin, Asaljan pojan, sekä kaupunginpäällikkö Maasejan ja kirjuri Joahin, Joahasin pojan, korjaamaan Herran, Jumalansa, temppeliä.
8Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an'i Safana, zanak'i Azalia, sy Mahaseia, komandin'ny tanàna, ary Joa, zanak'i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon'i Jehovah Andriamaniny.
9He menivät ylipappi Hilkian luo ja antoivat hänelle temppeliin tuodut rahat, jotka leeviläiset ovenvartijat olivat keränneet Manassen, Efraimin ja koko muun Israelin sekä Juudan ja Benjaminin alueelta ja Jerusalemin asukkailta.
9Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana, tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
10Raha annettiin niille, joiden tehtävänä oli johtaa töitä Herran temppelissä, ja he vuorostaan jakoivat ne temppeliä kunnostaville ja korjaaville työmiehille
10Ary natolony ho eo an-tanan'ny lehiben'ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin'ny tranon'i Jehovah izany, ary natolotr'ireo kosa ho an'ny mpiasa izay niasa tao an-tranon'i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;
11sekä käsityöläisille ja rakentajille. Rahoilla hankittiin myös hakattuja kiviä ja puutavaraa niiden rakennusten korjaamiseksi, jotka olivat päässeet rappeutumaan Juudan kuninkaiden aikana.
11dia nomeny ho an'ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin'ny trano izay nosimban'ny mpanjakan'ny Joda.
12Miehet tekivät työnsä huolellisesti. Heidän töidensä valvojiksi oli asetettu leeviläiset Jahat ja Obadja, Merarin sukua, sekä Sakarja ja Mesullam, Kehatin sukua. Leeviläiset soittajat antoivat soittimillaan tahdin
12Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin'ny taranak'i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin'ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,
13taakankantajille ja muillekin työntekijöille. Leeviläisiä oli myös kirjureina, esimiehinä ja portinvartijoina.
13dia ireo no tonian'ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
14Mutta kun Herran temppeliin tuodut rahat otettiin esiin, löysi ylipappi Hilkia kirjan, jossa oli Herran Moosekselle antama laki.
14Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy.
15Hilkia sanoi kirjuri Safanille: "Minä löysin Herran temppelistä lain kirjan." Ja hän antoi kirjan Safanille.
15Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.
16Safan vei kirjan kuninkaalle ja sanoi: "Palvelijasi ovat tehneet kaiken, mikä on annettu heidän tehtäväkseen.
16Ary Safana nitondra ny boky ho any amin'ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon'ny mpanomponao dia nataony avokoa.
17He ovat ottaneet esiin Herran temppeliin kertyneet rahat ja antaneet ne korjaustöiden valvojille ja työntekijöille."
17Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon'i Jehovah ka natolony teo an-tànan'ny olona voatendry sy teo an-tànan'ny mpiasa.
18Sitten kirjuri Safan kertoi kuninkaalle, että pappi Hilkia oli antanut hänelle kirjan. Hän luki kirjan kuninkaalle.
18Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
19Kun kuningas kuuli, mitä laissa sanottiin, hän repäisi vaatteensa.
19Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny tenin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy
20Hän sanoi Hilkialle sekä Safanin pojalle Ahikamille, Miikan pojalle Abdonille, kirjuri Safanille ja hovimiehelleen Asajalle:
20sady nandidy an'i Hilkia sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Abdona, zanak'i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, ka nanao hoe:
21"Menkää kysymään Herralta, mitä meidän nyt on tehtävä, kun tämä kirja on löytynyt. Kysykää sitä sekä minun että kaikkien muidenkin Israelin ja Juudan asukkaiden puolesta. Herran viha on ankarana yllämme, koska isämme eivät ole noudattaneet hänen sanojaan eivätkä ole eläneet kaikessa sen mukaisesti kuin tähän kirjaan on kirjoitettu."
21Andeha manontany amin'i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin'ny Isiraely sy ny Joda ny amin'ny tenin'io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman'ny razantsika ny tenin'i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin'io boky io.
22Hilkia ja muut, joille kuningas oli antanut määräyksen, lähtivät naisprofeetta Huldan luo; tämän mies oli pyhien vaatteiden vartija Sallum, Tokhatin poika, Hasran pojanpoika. Profeetta asui Jerusalemin uudessa kaupunginosassa. He esittivät hänelle asiansa,
22Ary Hilkia sy izay notendren'ny mpanjaka dia nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tokehata, zanak'i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.
23ja hän sanoi heille: "Näin sanoo Herra, Israelin Jumala: 'Viekää miehelle, joka lähetti teidät luokseni,
23Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe:
24tämä Herran sana: Minä annan onnettomuuden kohdata tätä paikkaa ja sen asukkaita. Kaikki kiroukset, jotka on mainittu Juudan kuninkaalle luetussa kirjassa, minä panen täytäntöön.
24Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin'ilay boky efa novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'ny Joda.
25He ovat hylänneet minut ja polttaneet uhreja muille jumalille, ja näillä teoillaan he ovat saaneet vihani heräämään. Minun vihani tulvii tämän paikan ylle, eikä se ehdy.'
25Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia haidina amin'ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
26Mutta koska Juudan kuningas lähetti teidät tiedustelemaan Herran tahtoa, viekää hänelle tämä viesti: 'Näin sanoo Herra, Israelin Jumala: Olet nyt kuullut sanani,
26Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay efa novakinao,
27ja ne ovat tehneet sydämesi levottomaksi. Sinä nöyrryit Jumalan edessä, kun kuulit, mitä olen sanonut tästä paikasta ja sen asukkaista. Sinä nöyrryit, sinä repäisit vaatteesi ja itkit edessäni, ja siksi minä kuulen sinua, sanoo Herra.
27satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
28Minä korjaan sinut isiesi luo, ja sinä pääset rauhassa hautaasi. Silmäsi eivät joudu näkemään sitä onnettomuutta, johon minä tämän paikan ja sen asukkaat saatan.'" Tämän vastauksen he toivat kuninkaalle.
28Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
29Kuningas kutsui koolle kaikki Juudan ja Jerusalemin vanhimmat.
29[Ny fahazotoan'i Josia hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah sy hampitandrina ny olona ny Paska, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana sy ny nahafatesany] Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon'ny Joda sy Jerosalema rehetra.
30Hän meni Herran temppeliin, ja hänen kanssaan menivät kaikki Juudan miehet ja Jerusalemin asukkaat, papit ja leeviläiset ja koko kansa, niin ylhäiset kuin alhaiset. Hän luki heidän kuultensa kaiken, mitä temppelistä löytyneessä liiton kirjassa sanottiin.
30Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin'ny bokin'ny fanekena, izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
31Sitten kuningas nousi korokkeelle ja teki Herran edessä liiton. Sen mukaan heidän tuli seurata Herraa ja kaikesta sydämestään ja kaikesta sielustaan noudattaa hänen käskyjään, määräyksiään ja säädöksiään. Näin he täyttäisivät sen, mitä kirjassa oli liitosta sanottu.
31Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany,
32Hän otti liittoon Jerusalemin ja myös Benjaminin alueen asukkaat. Kaikki he sitoutuivat noudattamaan Jumalan, isiensä Jumalan, liiton käskyjä.
32sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razanyAry Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.
33Josia hävitti kauhistuttavat epäjumalankuvat kaikilta israelilaisten alueilta ja sai kaikki Israelin asukkaat palvelemaan Herraa, Israelin Jumalaa. Koko hänen elinaikanaan he eivät luopuneet Herrasta, isiensä Jumalasta.
33Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.