1Kun kuningas Salomo sai valmiiksi kaikki työt, jotka hän oli Herran temppeliä varten teettänyt, hän toi isänsä Daavidin pyhittämät esineet temppeliin. Hopean, kullan ja muut tavarat hän talletti temppelin aarrekammioihin.
1Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.
2Salomo kutsui sitten luokseen Jerusalemiin Israelin vanhimmat, kaikkien israelilaisheimojen päälliköt ja sukujen päämiehet. Heidän oli määrä tuoda Herran liitonarkku Siionista, Daavidin kaupungista.
2[Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida.
3Israelin johtomiehet kokoontuivat kuninkaan luo vuoden seitsemännen kuun juhlien aikaan.
3Dia nivory ho any amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana fahafito.
4Kun kaikki Israelin vanhimmat olivat tulleet, leeviläiset nostivat arkun paikaltaan.
4Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
5He veivät arkun ja pyhäkköteltan sekä kaikki teltassa olleet pyhät esineet temppeliin, ja kantajina olivat papit ja leeviläiset.
5dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
6Kuningas Salomo uhrasi arkun edessä, ja hänen ympärillään oli koolla koko Israelin seurakunta. Kuningas ja kansa uhrasivat lampaita, vuohia ja nautakarjaa, eikä uhrieläinten määrää voinut lukea, ei laskea.
6Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
7Papit veivät Herran liitonarkun paikalleen temppelin sisäkammioon, kaikkeinpyhimpään, kerubien siipien alle.
7Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;
8Kerubien siivet olivat levällään sen paikan päällä, missä arkku oli, ja peittivät ylhäältäpäin arkun ja sen kantotangot.
8fa nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
9Kantotangot olivat niin pitkät, että niiden päät näkyivät sisäkammion edessä olevaan temppelisalin osaan, eivät kuitenkaan kauemmaksi. Arkku on siellä vielä tänäkin päivänä.
9Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin'ny fiara eo anoloan'ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
10Arkussa ei ollut muuta kuin ne kaksi taulua, jotka Mooses oli pannut sinne Horebin luona, kun Herra teki liiton israelilaisten kanssa heidän ollessaan matkalla pois Egyptistä.
10Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon'i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin'i Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'isiraely, tamin'ny nivoahany avy tany Egypta.
11Sitten papit astuivat ulos temppelistä. Kaikki papit, osastoista ja palvelusvuoroista riippumatta, olivat pyhittäneet itsensä.
11Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
12Kaikki leeviläislaulajat, Asaf, Heman ja Jedutun ja heidän poikansa ja veljensä, olivat pukeutuneet hienoimpaan pellavaan, ja he seisoivat alttarin itäpuolella symbaalit, harput ja lyyrat käsissään. Heidän vierellään oli satakaksikymmentä pappia, jotka puhalsivat torviin.
12ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
13Pappien astuessa ulos temppelistä soittajat ja laulajat virittivät yhteen ääneen kiitoslaulun Herralle. Torvet, symbaalit ja muut soittimet alkoivat soida, ja laulajat puhkesivat ylistämään Herraa: "Hän on hyvä, iäti kestää hänen armonsa." Silloin Herran temppelin täytti pilvi.
13ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.
14Papit eivät pilven vuoksi voineet jatkaa palvelustaan, sillä Herran kirkkaus täytti temppelin.
14ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.