1Salomolta meni kaksikymmentä vuotta Herran temppelin ja oman palatsinsa rakentamiseen.
1[Ny amin'ny trano nataon'i Solomona sy ny nandaminay ny amin'ny fanatitra hatao ao amin'ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny tenany,
2Hän myös varusti ne kaupungit, jotka Hiram oli hänelle antanut, ja siirsi niihin israelilaisia.
2dia namboariny ny tanàna izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.
3Sen jälkeen Salomo hyökkäsi Hamat-Sobaan ja valloitti sen.
3Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
4Hän linnoitti myös autiomaassa sijaitsevan Tadmorin ja varastokaupungit, jotka hän rakensi Hamatiin.
4Ary nanorina an'i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
5Hän rakensi ylemmän ja alemman Bet- Horonin ja varusti ne muureilla ja salvoin suljettavilla porteilla.
5Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
6Samoin hän linnoitti Baalatin ja kaikki kaupungit, joissa hän piti varastojaan, vaunujaan ja hevosiaan. Hän rakensi myös kaikkea muuta, mitä näki hyväksi, Jerusalemiin, Libanoniin ja koko sille alueelle, jota hän hallitsi.
6ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
7Salomo määräsi, että kaikkien jäljelle jääneiden heettiläisten, amorilaisten, perissiläisten, hivviläisten ja jebusilaisten, kaikkien, jotka eivät olleet israelilaisia, oli tehtävä verotyötä.
7Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely
8Israelilaiset eivät olleet pystyneet tuhoamaan heitä kaikkia, ja niin heidän jälkeläisiään oli yhä maassa. Heidän on tehtävä verotyötä vielä tänäkin päivänä.
8dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.
9Israelilaisista Salomo ei pannut ketään orjan töihin, vaan he olivat sotilaita ja sotapäälliköitä, sotavaunujen ja vaunumiesten päälliköitä.
9Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
10Töiden valvojina kuningas Salomolla oli kaksisataaviisikymmentä virkamiestä.
10Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
11Faraon tyttären Salomo vei Daavidin kaupungista häntä varten rakentamaansa palatsiin. Salomo sanoi: "Kukaan vaimoistani ei saa asua Daavidin, Israelin kuninkaan, palatsissa. Se on pyhä, koska Herran liitonarkku on ollut sillä paikalla."
11Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.
12Salomo uhrasi Herralle polttouhreja alttarilla, jonka hän oli rakentanut temppelin eteishallin edustalle.
12Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;
13Hän toimitti uhrit sapatinpäivinä, uudenkuun päivinä ja kolmen vuotuisen juhlan, happamattoman leivän juhlan, viikkojuhlan ja lehtimajanjuhlan, aikana, kunakin päivänä sen mukaan kuin Mooseksen laissa oli säädetty.
13eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.
14Isänsä Daavidin määräyksen mukaisesti hän järjesti pappien palvelusvuorot ja jakoi leeviläisille tehtävät määräten, minä päivänä minkin osaston piti olla ylistämässä Herraa ja avustamassa pappeja. Hän järjesti myös portinvartijoiden osastot eri porteille. Tästä kaikesta oli Daavid, Jumalan mies, antanut määräykset.
14Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.
15Missään kohden ei poikettu pappeja ja leeviläisiä, aarrekammioita ja muita seikkoja koskevista kuninkaan käskyistä.
15Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.
16Näin saatettiin päätökseen Salomon koko työ, aina Herran temppelin perustusten laskemisesta sen valmistumiseen saakka. Herran temppeli oli valmis.
16Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.
17Salomo meni myös Esjon-Geberiin ja Eilatiin, jotka ovat meren rannalla Edomin maassa.
17Ary tamin'izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina any amin'ny tany Edoma,ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
18Hiram lähetti palvelijansa tuomaan hänelle laivoja ja miehiä, jotka olivat kokeneita merenkulkijoita. Nämä purjehtivat Salomon miesten kanssa Ofiriin ja toivat sieltä kuninkaalle neljäsataaviisikymmentä talenttia kultaa.
18ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.