Pyhä Raamattu

Malagasy

2 Samuel

22

1Kun Herra oli pelastanut Daavidin kaikkien hänen vihollistensa ja Saulin käsistä, Daavid lauloi Herralle tämän laulun:
1[Hira fisaorana nataon'i Davida noho ny nandreseny ny fahavalony rehetra] Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly,
2-- Herra, sinä päästit minut turvaan, sinä olet vuorilinnani.
2ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
3Jumalani, sinuun minä turvaudun, sinä olet kallio, olet kilpeni, pelastukseni sarvi, olet vuori ja turvapaikka. Sinä olet pelastajani, sinä autat minut turvaan vainoojilta.
3Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana Hianao.
4Kun kutsun Herraa, ylistettyä, saan avun vihollisiani vastaan.
4Miantso an'i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
5Kuoleman aallokko saartoi jo minut, turmion pyörteet minua kauhistivat,
5Fa nihodidina tamiko ny onjan'ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
6tuonelan paulat vangitsivat minut, näin edessäni kuoleman ansat.
6Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
7Silloin huusin hädässäni Herraa, minä kutsuin apuun Jumalaani. Ääneni kantautui hänen temppeliinsä, ja hän kuuli minun huutoni.
7Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
8Maa tärisi ja järkkyi, taivaan pilarit vavahtelivat, hänen vihansa sai ne horjumaan.
8Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
9Hänen sieraimistaan nousi savu ja kaikennielevä liekki hänen suustaan, se suitsusi hiilten hehkua.
9Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
10Hän kallisti taivaan ja laskeutui alas pimeä pilvi jalkojensa alla,
10Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
11hän lensi kerubi ratsunaan ja kiiti tuulen siivin.
11Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin'ny ela-drivotra Izy.
12Hän teki majakseen pimeyden, sateiden lähteen, raskaat pilvet.
12Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
13Hänen loistonsa sytytti liekkiin hehkuvat hiilet.
13Ary avy teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
14Herra jylisi taivaasta, Korkein antoi äänensä kaikua,
14Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
15hän ampui nuoliaan ja hajotti viholliset, hän sinkosi salamansa ja sai heidät kauhun valtaan.
15Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
16Merten lähteet paljastuivat ja maanpiirin perustukset tulivat näkyviin, kun Herra nuhteli merta, kun hänen raivonsa myrsky puhalsi sen yli.
16Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony.
17Korkeudestaan hän ojensi kätensä ja tarttui minuun, hän veti minut ylös syvistä vesistä.
17Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy.
18Hän vapautti minut vihollisteni väkevistä käsistä, vihamiehistäni, jotka olivat minua vahvemmat.
18Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
19He kävivät kimppuuni onnettomuuteni hetkellä, mutta tuekseni tuli Herra.
19Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
20Hän avasi minulle tien ja päästi minut vapauteen, sillä hän oli mieltynyt minuun.
20Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
21Herra palkitsi minut, koska rakastan oikeutta, sain häneltä palkan, koska tekoni ovat puhtaat.
21Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
22Minä olen kulkenut Herran teitä enkä ole luopunut Jumalasta.
22Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
23Hänen käskynsä ovat alati mielessäni, minä noudatan aina hänen lakejaan.
23Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
24Olen ollut vilpitön hänen edessään ja varonut lankeamasta syntiin.
24Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
25Herra palkitsi minut, koska rakastan oikeutta, koska olen puhdas hänen edessään.
25Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
26Herra, sinä olet uskollinen uskolliselle, vilpitöntä kohtaan olet vilpitön,
26Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
27puhtaat ovat tekosi puhdasta kohtaan, mutta kieron sinä johdat harhaan.
27Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.[Heb. miolakolaka]
28Nöyrät sinä pelastat, mutta ylpeiden katseen sinä painat maahan.
28Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
29Sinä, Herra, olet lamppuni. Sinä tuot pimeyteeni valon.
29Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
30Sinun avullasi ryntään yli vallien, Jumalani avulla hyppään muurien yli.
30Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
31Jumalan ohjeet ovat täydelliset, Herran sana on kirkas ja puhdas. Kuin kilpi hän suojaa niitä, jotka hakevat hänestä turvaa.
31Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
32Kuka on Jumala, jollei Herra, kuka turvamme, jollei Jumalamme?
32Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
33Jumala on luja linnani. Hän tekee tieni suoraksi,
33Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany Izy.
34hän tekee jalkani nopeiksi kuin kauriin jalat ja ohjaa kulkuni kukkuloille.
34Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy.
35Hän opettaa käteni sotimaan, käsivarteni jännittämään jousta.
35Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
36Herra, sinä asetut kilveksi eteeni, sinun apusi vahvistaa minut,
36Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
37sinä teet varmoiksi askeleeni, polveni eivät horju.
37Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
38Minä ahdistan vihollisiani ja tuhoan heidät, palaan vasta kun heitä ei enää ole,
38Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
39minä lyön heidät, eivätkä he enää nouse. He sortuvat jalkojeni alle.
39Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
40Sinulta saan voiman taisteluun, vastustajani sinä kaadat jalkojeni alle.
40Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
41Sinä ajat viholliseni pakoon, ja minä teen heistä lopun.
41Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
42He huutavat, mutta kukaan ei heitä auta, he kutsuvat Herraa, mutta hän ei vastaa heille.
42Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an'i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
43Minä murskaan heidät maan tomuun, poljen ja tallaan heitä kuin katujen lokaa.
43Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
44Sinä pelastit minut, kun kansani kapinoi, asetit minut hallitsemaan myös vieraita maita. Kansat, joita en tuntenut, ovat nyt valtani alla.
44Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
45Muukalaiset liehittelevät minua, he tottelevat jo ennen kuin käsken,
45Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
46heidän voimansa on hervonnut, vavisten he tulevat ulos linnoistaan.
46Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.[Izahao Sal. xviii.46. Ny dikan'ny teny Hebreo eto dia misikina avy ao, etc]
47Herra elää! Kiitetty olkoon puolustajani, ylistetty Jumala, minun turvakallioni!
47Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
48Jumala kostaa puolestani ja alistaa kansat valtani alle,
48Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
49hän pelastaa minut vihollisteni käsistä ja antaa voiton vihamiehistäni, vainoojista hän minut päästää.
49Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe;
50Siksi kiitän sinua, Herra, kansojen keskellä, laulan kiitosta sinun nimellesi.
50Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
51Sinä teet voittoisaksi kansasi kuninkaan, sinä olet uskollinen sille jonka olet voidellut, Daavidille ja hänen suvulleen, nyt ja aina.
51Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.