Pyhä Raamattu

Malagasy

2 Samuel

6

1Daavid kokosi jälleen kaikki Israelin parhaat soturit, kolmekymmentätuhatta miestä.
1[Ny namindrana ny fiaran'i Jehovah nankany Jerosalema] Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina.
2Hän lähti koko joukkonsa kanssa hakemaan Juudan Baalasta Herralle Sebaotille pyhitetyn liitonarkun, jota kerubit varjoavat.
2Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin']
3He nostivat Jumalan arkun uusiin vaunuihin ja kuljettivat sen pois Abinadabin talosta kukkulalta. Uusia vaunuja ohjasivat Abinadabin pojat Ussa ja Ahjo.
3Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.[Na: Gibea]
4Ussa kulki arkun vierellä, ja Ahjo kulki sen edellä.
4Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara.
5Ja Daavid ja kaikki israelilaiset karkeloivat riemuissaan Herran edessä ja lauloivat soittaen lyyraa ja harppua, rumpuja, helistimiä ja symbaaleja.
5Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6Mutta kun he saapuivat Nakonin puimatantereen kohdalle, härät alkoivat vikuroida, ja Ussa ojensi kätensä ja tarttui Jumalan arkkuun.
6Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara.
7Silloin Ussaa kohtasi Herran viha. Jumala löi häntä tuon hairahduksen tähden, niin että hän kuoli Jumalan arkun viereen.
7Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
8Daavid kauhistui, kun Herra oli näin musertanut Ussan. Paikka sai nimekseen Peres-Ussa, ja tätä nimeä siitä käytetään vielä nytkin.
8Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran'izany tany izany mandraka androany.[Na: nalahelo][Perez-oza = Famelezana an'i Oza]
9Herran teko sai Daavidin pelon valtaan, ja hän sanoi: "Kuinka minä voisin ottaa Herran arkun luokseni?"
9Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah?
10Hän ei tahtonut viedä Herran arkkua Daavidin kaupunkiin vaan jätti sen gatilaisen Obed-Edomin taloon.
10Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita.
11Herran arkku oli kolmen kuukauden ajan siellä, ja Herra siunasi Obed-Edomia ja koko hänen perhettään.
11Ary nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
12Mutta kun Daavid kuuli, että Herra oli Jumalan arkun vuoksi siunannut Obed-Edomin koko perhettä ja hänen omaisuuttaan, hän lähti Obed-Edomin taloon ja toi sieltä Jumalan arkun riemusaatossa Daavidin kaupunkiin.
12Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida.
13Kun Herran arkun kantajat olivat astuneet kuusi askelta, Daavid uhrasi sonnin ja syöttövasikan.
13Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra.
14Pelkkä pellavakasukka yllään hän tanssi rajusti Herran edessä.
14Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
15Daavid ja koko Israelin heimo saattoivat Herran arkkua, ja riemu raikui ja torvet soivat.
15Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara.
16Kun Herran arkku oli tulossa Daavidin kaupunkiin, Saulin tytär Mikal katseli ikkunasta. Nähdessään kuningas Daavidin hyppivän ja tanssivan Herran edessä Mikal halveksi häntä mielessään.
16Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
17Herran arkku tuotiin paikalleen telttaan, jonka Daavid oli pystyttänyt sitä varten, ja Daavid uhrasi Herran edessä polttouhreja ja yhteysuhreja.
17Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah.
18Uhritoimituksen päätettyään hän siunasi kansan Herran Sebaotin nimeen
18Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
19ja jakoi kansalle, koko Israelin väelle, miehille ja naisille, kullekin uhrileivän, yhden osuuden uhrilihasta ja hunajaleivonnaisen. Sitten kaikki lähtivät kotiinsa.
19Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka]
20Mutta kun Daavid palasi tervehtimään perhettään, Saulin tytär Mikal tuli häntä vastaan ja sanoi: "Kylläpä Israelin kuningas tänään käyttäytyi arvokkaasti! Paljasti itsensä palvelijoidensa piikojen edessä niin kuin mikäkin narri!"
20Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
21Daavid vastasi: "En, vaan Herran edessä! Hän valitsi mieluummin minut kuin isäsi ja isäsi suvun ja määräsi minut Israelin, Herran kansan, hallitsijaksi. Herran edessä minä tahdon iloita,
21Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako.
22vaikka joutuisin alentumaan vielä tätäkin enemmän ja halventamaan itseni omissakin silmissäni. Mutta ne piiat, joista sinä puhuit, tulevat pitämään minua arvossa."
22Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.
23Eikä Saulin tytär Mikal koko elinaikanaan saanut lasta.
23Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.