1Herra Jumala näytti minulle tämän näyn: oli korillinen loppukesän hedelmiä.
1[Ny fahitana nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
2Hän kysyi minulta: "Mitä näet, Aamos?" Minä vastasin: "Korillisen loppukesän hedelmiä." Herra sanoi minulle: "Loppu on tullut kansalleni Israelille. Enää en kulje armahtaen sen ohitse."
2Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho. [Heb. handalo azy]
3Herra Jumala sanoo: -- Sinä päivänä palatsin laulajattaret puhkeavat valituksiin. Paljon on ruumiita, joka paikkaan viskattuja. -- Hiljaa!
3Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly]
4Kuulkaa tätä, te jotka poljette vähävaraisia ja ajatte maaseudun köyhät perikatoon!
4Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany
5Te sanotte: "Milloin päättyy uudenkuun juhla, että saamme myydä viljaa, milloin sapatti, että saamme avata varastot? Silloin voimme taas pienentää mittaa, suurentaa hintaa ja pettää väärällä vaa'alla.
5Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
6Näin saamme varattomat valtaamme rahalla ja köyhät kenkäparin hinnalla. Ja akanatkin myymme jyvinä!"
6Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
7Herra on vannonut Jaakobin kunnian kautta: -- Minä en unohda yhtäkään heidän tekoansa!
7Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
8Eikö maa tämän takia järise, eivätkö kaikki sen asukkaat valita? Eikö se kaikkineen nouse kuin Niilin vesi, kohoa ja laske kuin Egyptin virta?
8Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta.
9-- Sinä päivänä -- sanoo Herra Jumala -- minä annan auringon laskea puolenpäivän aikaan ja pimennän maan keskellä kirkasta päivää.
9Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
10Minä muutan teidän juhlanne suruksi ja kaikki laulunne valitusvirsiksi. Minä puen kaikkien ylle säkkivaatteen ja ajatan teidän päänne paljaaksi. Silloin on suru kuin ainoasta pojasta. Se päivä on katkera päivä.
10Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay]
11-- Koittaa aika -- sanoo Herra Jumala -- jolloin minä lähetän maahan nälän. En leivän nälkää, en veden janoa, vaan Herran sanan kuulemisen nälän.
11Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary]
12Ihmiset hoippuvat mereltä merelle, pohjoisesta itään he harhailevat etsimässä Herran sanaa, mutta eivät löydä.
12Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
13Kauniit neitoset ja nuoret miehet nääntyvät niinä päivinä janoon.
13Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
14Nuo, jotka vannovat Samarian epäjumalan nimeen ja sanovat: "Niin totta kuin Danin jumala elää!" tai: "Kautta Beerseban pyhän matkan!" -- he kaatuvat eivätkä enää nouse.
14Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.