1Kuningas Belsassarin kolmantena hallitusvuotena tuli minulle, Danielille, jälleen näky, aikaisemmin näkemäni lisäksi.
1[Ny amin'ny fahavalo anankiray izay nampahory ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian'ilay niseho tamiko tamin'ny voalohany.
2Kun näin tämän näyn, olin Susan linnassa, Elamin maakunnassa, ja näyssä minä huomasin olevani Ulaijoen rannalla.
2Ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho.
3Kun kohotin katseeni, näin pässin seisomassa joen rannalla, ja pässillä oli kaksi pitkää sarvea, joista toinen oli pitempi kuin toinen, ja se pitempi kasvoi myöhemmin esiin.
3Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
4Minä näin pässin puskevan länteen, pohjoiseen ja etelään, eivätkä muut eläimet kyenneet vastustamaan sitä, eikä ketään voitu pelastaa joutumasta sen ruhjomaksi. Se teki mitä tahtoi ja tuli yhä mahtavammaksi.
4Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe.[Na: niavonavona]
5Sitä katsellessani tuli lännestä vuohipukki koko maan yli, tuskin maanpintaa koskettaen, ja sillä pukilla oli otsassaan mahtava sarvi.
5Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony.
6Se tuli aivan sen kaksisarvisen pässin luo, jonka olin nähnyt seisovan joen rannalla, ja se juoksi pässiä vastaan koko vihansa voimalla.
6Ary izy nankeo amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny fahatezeran'ny heriny.
7Minä näin, kuinka se pässin luo tultuaan kävi kiukkuisesti sen kimppuun ja murskasi sen molemmat sarvet, eikä pässi pystynyt pitämään puoliaan. Pukki kaatoi sen maahan ja polki sen jalkoihinsa, eikä kukaan voinut auttaa sitä.
7Ary hitako nanatona ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
8Vuohipukki tuli hyvin mahtavaksi, mutta sen ollessa mahtavimmillaan sen suuri sarvi katkesi ja tilalle nousi neljä suurta sarvea, yksi kuhunkin ilmansuuntaan.
8Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry ny lanitra.
9Yhdestä niistä puhkesi esiin pieni sarvi, joka kasvoi kasvamistaan etelää, itää ja Ihanaa maata päin.
9Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra.
10Se kasvoi aina taivaan joukkojen tasalle, ja se pudotti maahan taivaan joukkoja ja tähtiä ja tallasi ne jalkoihinsa.
10Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin'ireo maro be eny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
11Se kasvoi ja uhmasi jo taivaan joukon valtiasta, ja valtiaalta otettiin pois päivittäinen uhri ja hänen temppelinsä turmeltiin perustuksia myöten.
11Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana.
12Päivittäisen uhrin sijaan pantiin jumalaton ja väärä palvelus, ja totuus sortui maahan. Ja sarvi menestyi yhä kaikissa toimissaan.
12Ary nisy maro be mbamin'ny fanatitra isan'andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
13Sitten minä kuulin pyhien enkelien puhuvan, ja yksi heistä kysyi toiselta: "Kuinka kauan meidän täytyy katsella tätä? Päivittäinen uhri on poissa, jumalattomuus levittää tuhoa, ja pyhäkkö ja palvelus on tallattu maahan!"
13Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? [Na: ny amin'ny fanatitra isan'andro]
14Toinen vastasi: "Niin kauan, että kaksituhatta kolmesataa iltaa ja aamua on kulunut; sitten nousee pyhäkkö taas kunniaan."
14Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina. [Heb. hariva sy maraina][Heb. ho marina]
15Kun minä, Daniel, katselin sitä näkyä ja koetin ymmärtää sen tarkoituksen, huomasin edessäni seisomassa miehen kaltaisen olennon,
15Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
16ja minä kuulin ikään kuin ihmisen äänen Ulain rantojen yllä, ja se huusi ja sanoi: "Gabriel, selitä hänelle tämä näky."
16Ary nandre feon'olona tao afovoan'i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
17Hän tuli aivan viereeni, ja hänen lähestyessään minä kauhistuin ja heittäydyin kasvoilleni. Hän sanoi minulle: "Ihminen, sinun tulee ymmärtää, että se näky koskee lopun aikaa."
17Ary dia nankeo amin'ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
18Hänen puhuessaan minä vaivuin syvään uneen, kasvot maata vasten. Sitten hän kosketti minua ja nosti minut jälleen seisomaan.
18Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin'ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.
19Hän sanoi: "Katso, minä teen sinulle tiettäväksi, mitä on tapahtuva vihan ajan lopussa, sillä näky koskee lopun aikaa.
19Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany.
20Kaksisarvinen pässi, jonka näit, tarkoittaa Meedian ja Persian kuninkaita.
20Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia.
21Vuohipukki on Kreikan valtakunta, ja suuri sarvi sen otsassa on valtakunnan ensimmäinen kuningas.
21Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
22Sarven murtuminen ja tilalle nousseet neljä sarvea tarkoittavat, että siitä kansasta nousee neljä kuningaskuntaa. Niillä ei kuitenkaan ole ensimmäisen kuninkaan voimaa.
22Ary ny amin'ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.
23-- Ja kun niiden valta on lopullaan, kun jumalattomuuden määrä on täysi, on nouseva häikäilemätön kuningas, juoniin perehtynyt.
23Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
24Hänellä on valtava voima, hän tuottaa tavatonta tuhoa, menestyy kaikessa mitä tekee ja tuhoaa maan mahtavia ja pyhien kansaa.
24Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina.
25Viekkaan älynsä vuoksi hän menestyy petollisissa toimissaan ja kasvaa sydämeltään ylpeäksi ja tuhoaa monia rauhankin aikana. Myös ruhtinaiden ruhtinasta vastaan hän nousee, mutta käden koskematta hänet murskataan.
25Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
26Ja näky illoista ja aamuista, jonka sait, on tosi. Mutta pidä salassa se näky, sillä se koskee tulevia päiviä."
26Ary dia marina ny amin'ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
27Minä, Daniel, olin uupunut ja sairas jonkin aikaa. Sitten minä nousin ja palvelin jälleen kuningasta. Minä olin hämmentynyt näystäni enkä saanut siihen selvyyttä.
27Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.