1Kolmantena päivänä Ester pukeutui kuninkaalliseen asuunsa, meni kuninkaan palatsin sisäpihaan ja jäi seisomaan valtaistuinsalin oviaukon kohdalle. Kuningas istui valtaistuinsalissa kuninkaallisella valtaistuimellaan vastapäätä oviaukkoa.
1[Ny naneken'ny mpanjaka ny tenin'i Estera, sy ny fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay] Ary nony tamin'ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'ny mpanjaka, dia teo anoloan'ny tranon'ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin'ny vavahadin'ny trano.
2Kun kuningas huomasi kuningatar Esterin seisovan pihassa, hän heltyi ja osoitti Esteriä kultavaltikalla, joka hänellä oli kädessään. Ester astui kuninkaan eteen ja kosketti valtikan päätä.
2Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin'ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
3Sitten kuningas kysyi häneltä: "Mikä sinun mieltäsi painaa, kuningatar Ester? Mitä sinä minulta toivot? Vaikka pyytäisit puolta valtakuntaa, saat sen."
3Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
4Ester sanoi: "Jos kuningas suvaitsee kuunnella minua, niin toivoisin, että kuningas tulisi Hamanin kanssa tänään pitoihin, jotka olen järjestänyt kuninkaan kunniaksi."
4Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin'ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
5Kuningas sanoi: "Hakekaa Haman kiireesti tänne, jotta Esterin toive voidaan toteuttaa!" Sitten kuningas ja Haman menivät Esterin järjestämiin pitoihin,
5Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin'i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.
6ja viiniä juotaessa kuningas kysyi Esteriltä: "Mitä haluat saada? Saat kaiken mitä haluat! Mitä tahtoisit pyytää minulta? Vaikka pyytäisit puolta valtakuntaa, saat sen!"
6Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
7Ester vastasi: "Mitäkö toivon ja pyydän?
7Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
8Jos, kuninkaani, olet minulle suosiollinen ja suvaitset täyttää toivomukseni ja pyyntöni, niin tule Hamanin kanssa huomennakin pitoihin, jotka minä teille järjestän. Sitten teen niin kuin toivot, kuningas."
8Raha mahita fitia eto imason'ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin'ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin'ny mpanjaka ihany aho.
9Sinä päivänä Haman lähti pois iloisena ja hyvillään. Mutta kun hän näki Mordokain kuninkaan hovissa eikä tämä noussut osoittamaan hänelle kunnioitustaan, hän raivostui.
9Dia nivoaka tamin'izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an'i Mordekay teo am-bavahadin'ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
10Hän kuitenkin hillitsi itsensä ja meni kotiinsa. Sitten hän kutsui luokseen ystäviään ja vaimonsa Seresin.
10Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
11Hän kehuskeli heille suurta rikkauttaan ja poikiensa lukumäärää sekä sitä, että kuningas oli ylentänyt hänet ja korottanut hänet kaikkien ruhtinaiden ja virkamiesten yläpuolelle.
11Ary nambaran'i Hamana tamin'ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan'ny zanany mbamin'Izay voninahitra rehetra nomen'ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon'ny mpanjaka.
12Haman sanoi vielä: "Minä olen sitä paitsi ainoa, joka sai tulla kuninkaan kanssa kuningatar Esterin järjestämiin pitoihin, ja hän on huomiseksikin kutsunut minut kuninkaan kanssa luokseen.
12Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin'ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin'ny mpanjaka ho amin'ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin'ny mpanjaka aho koa rahampitso.
13Mutta tämäkään ei tuota minulle iloa niin kauan kuin joudun näkemään hovissa juutalaisen Mordokain."
13Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an'i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka aho.Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana ianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
14Silloin hänen vaimonsa Seres ja kaikki hänen ystävänsä sanoivat hänelle: "Anna pystyttää viisikymmentä kyynärää korkea hirsipuu ja pyydä huomisaamuna kuninkaalta, että Mordokai hirtetään siihen. Sitten voit iloisella mielellä mennä kuninkaan kanssa pitoihin." Hamanista se oli hyvä neuvo, ja hän antoi pystyttää hirsipuun.
14Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana ianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.