Pyhä Raamattu

Malagasy

Exodus

27

1"Tee akasiapuinen alttari; olkoon se nelikulmainen, viisi kyynärää pitkä, viisi kyynärää leveä ja kolme kyynärää korkea.
1Ary manaova ny alitara amin'ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
2Tee sen neljään kulmaan alttarinsarvet, jotka ovat alttarin kanssa samaa kappaletta, ja päällystä alttari pronssilla.
2Ary manaova ny tandrony eo amin'ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.
3Tee sitä varten myös tuhka-astiat, joilla rasvainen tuhka viedään pois, tuhkalapiot, vihmontamaljat, haarukat ja tuliastiat. Kaikki nämä välineet sinun on tehtävä pronssista.
3Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron'afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran'afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
4Tee alttaria varten verkkomainen pronssiritilä, ja ritilän kulmiin tee neljä pronssirengasta.
4Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin'ny harato eo amin'ny zorony efatra,
5Sijoita ritilä alatietä alttarin puukehyksen sisäpuolelle, niin että se ulottuu alttarin puoliväliin saakka.
5Ary ataovy eo ambanin'ny sikin'ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.
6Tee alttaria varten akasiapuiset kantotangot ja päällystä ne pronssilla.
6Ary manaova bao ho amin'ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
7Tangot työnnettäköön renkaisiin alttarin molemmin puolin sen kantamista varten.
7Ary ampidiro eo amin'ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,
8Tee alttari laudoista ja jätä se avoimeksi. Tehtäköön siitä sellainen kuin sait nähdä vuorella.
8Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.
9"Tee telttamajan ympärille esipiha. Pihan eteläisellä sivulla olkoon hienosta kerratusta pellavasta tehdyt verhot, sata kyynärää pitkät.
9Ary manaova ny kianjan'ny tabernakely: amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny iray;
10Verhoja kannattamaan tee kaksikymmentä pylvästä ja kullekin pronssijalusta sekä pylväisiin hopeiset koukut ja poikkitangot.
10ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
11Pohjoiselle pitkälle sivulle tee samaten sata kyynärää pitkät verhot, niille kaksikymmentä pylvästä ja kullekin pronssijalusta sekä pylväisiin hopeiset koukut ja poikkitangot.
11Ary ho tahaka izany amin'ny lafiny avaratra, amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
12Pihan läntiseen päätyyn tee viisikymmentä kyynärää pitkät verhot, niille kymmenen pylvästä ja kullekin jalusta.
12Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,
13Pihan idän puoleinen sivu olkoon viisikymmentä kyynärää leveä.
13Ary ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.
14Siellä olkoon toisella sivustalla viisitoista kyynärää verhoja ja niitä kannattamassa kolme pylvästä jalustoineen
14Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.
15ja toisella sivustalla samoin viisitoista kyynärää verhoja ja niitä kannattamassa kolme pylvästä jalustoineen.
15Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.
16Niiden välissä esipihan portilla olkoon kaksikymmentä kyynärää leveä oviverho, joka on tehty sinipunaisesta, purppuraisesta ja karmiininpunaisesta villasta ja hienosta kerratusta pellavasta korukudontatyönä; sitä kannattakoon neljä pylvästä jalustoineen.
16Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
17Kaikissa pylväissä esipihan ympärillä olkoon hopeiset poikkitangot ja hopeiset koukut, ja pylväiden jalustat olkoot pronssia.
17Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,
18Pihan pituus olkoon sata kyynärää, sen leveys viisikymmentä kyynärää ja hienosta kerratusta pellavasta tehtyjen verhojen korkeus viisi kyynärää. Kaikkien pylväiden jalustat olkoot pronssia.
18Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
19Kaikki telttamajassa käytettävät esineet samoin kuin majan kiinnitysvaarnat ja esipihan verhojen vaarnat olkoot pronssia.
19Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.
20"Käske israelilaisten tuoda sinulle lamppuja varten puhdasta, survotuista oliiveista saatua öljyä, niin että lamput aina voidaan nostaa paikoilleen palamaan.
20Ary mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,
21Aaronin ja hänen poikiensa tulee huolehtia siitä, että ne palavat läpi yön Herran edessä pyhäkköteltassa, lain arkun edessä olevan väliverhon ulkopuolella. Tätä määräystä israelilaisten on aina noudatettava sukupolvesta toiseen.
21Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,