1Minulle tuli tämä Herran sana:
1[Faminaniana ny amin'ny firenena mifanila fonenana amin'ny Isiraely, dia ny Amonita, ny Moabita, ny Edomita ary ny Filistina] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2"Ihminen, käännä katseesi kohti Ammonin maata ja julista sen kansalle tuomio.
2Ry zanak'olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,
3Sano sille: Kuule Herran Jumalan sana. Näin sanoo Herra Jumala: Sinä ilkuit ja sanoit: 'Siitä sait', kun minun temppelini saastutettiin, kun Israelin maata hävitettiin ja kun Juudan kansaa vietiin vankina vieraaseen maahan.
3ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,
4Sen tähden minä annan sinut idän kansojen käsiin, ja ne pystyttävät leirinsä sinun alueillesi ja asettuvat sinun maillesi asumaan, syövät kaiken mitä maasi tuottaa ja juovat kaiken maitosi.
4Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
5Minä annan kamelien kaluttavaksi Rabban ja teen koko Ammonin maasta lammaslaitumen, ja silloin te tiedätte, että minä olen Herra.
5Ary Raba dia hataoko tany fitoeran'ny rameva, ary ny taranak'i Amona ho tany fandrian'ny ondry aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
6"Näin sanoo Herra Jumala: Sinä olit täynnä vahingoniloa, löit käsiäsi yhteen, tömistit jalkojasi ja pilkkasit ja nauroit Israelin maata.
6Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,
7Sen tähden minä kohotan käteni ja annan sinut kansojen ryöstettäväksi, minä hävitän sinut tyystin kansojen joukosta, pyyhin sinut maiden joukosta pois ja hävitän sinut lopullisesti. Silloin sinä tiedät, että minä olen Herra.
7Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
8"Näin sanoo Herra Jumala: Moabilaiset ovat ilkkuneet: 'Juudan on käynyt niin kuin kaikkien muiden kansojen.'
8Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak'i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
9Sen tähden minä revin Moabin harjanteelta sen kaupungit, hävitän viimeistä myöten sen kaunistukset: Bet-Jesimotin, Baal-Meonin ja Kirjataimin.
9Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin'ny Moaba, hatrany amin'ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
10Minä annan sen idän kansojen käsiin, yhtä lailla kuin ammonilaiset, joita ei enää lueta kansojen joukkoon.
10Ho an'ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak'i Amona'ihany, eny, hatolotro ho fananan'ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin'ny firenena intsony ny taranak'i Amona.
11Minä panen täytäntöön moabilaisten tuomion, ja silloin he tietävät, että minä olen Herra.
11Ary hotanterahiko ny fitsarana an'i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
12"Näin sanoo Herra Jumala: Edom on julmasti kostanut Juudan kansalle, ja näin se on rikkonut Herraa vastaan.
12Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan'i Edoma ny taranak'i Joda tamin'ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
13Sen tähden Herra Jumala sanoo: Minä kohotan käteni ja hävitän Edomista ihmiset ja eläimet, minä muutan koko maan rauniokasaksi ja surmaan joka ainoan ihmisen Temanista Dedaniin asti.
13Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon'ny sabatra hatrany Dedana.
14Oman kansani, israelilaiset, minä panen toteuttamaan kostoni, ja he tekevät Edomille sen, mitä vihani vaatii. Niin saa Edom tuntea minun kostoni. Näin sanoo Herra Jumala.
14Ary ny tanan'ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.
15"Näin sanoo Herra Jumala: Filistealaiset ovat kostaneet Juudalle. Ikimuistoisen vihansa ajamina ja kaunaa ja inhoa täynnä he ovat levittäneet tuhoa.
15Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
16Sen tähden Herra Jumala sanoo: Minä kohotan käteni ja rankaisen filistealaisia, minä hävitän kreetit ja tuhoan kaikki merenrannan asukkaat.
16Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
17Minä kostan heille kovalla kädellä, ankarasti minä rankaisen heitä, ja silloin, kostoni kohdatessa heidät, he tietävät, että minä olen Herra."
17Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.