1Oli yhdestoista vuosi, kolmannen kuun ensimmäinen päivä, ja minulle tuli tämä Herran sana:
1[Ny nanetrena an'i Asyria atao fananarana an'i Egypta] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2"Ihminen, sano faraolle, Egyptin kuninkaalle, ja hänen korskealle joukolleen: -- Mihin vertaisin sinua ja suuruuttasi?
2Ry zanak'olona, ataovy amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy amin'ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an'iza moa ianao amin'ny fahalehibiazanao ?
3Sinä olet kuin sypressi, kuin Libanonin setri, jonka mahtavat oksat varjosivat maan. Se kasvoi korkeaksi, sen latva kohosi pilvien keskeen.
3Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin'ny rahona matevina ny tendrony.
4Se sai voimansa vedestä, sitä kasvatti syvyyksien virta, joka ulotti monet haaransa sen kasvupaikkaan ja lähetti purojaan kaikille metsän puille.
4Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha.
5Sen tähden se kasvoi korkeammaksi kuin toiset metsän puut, sen tähden se haarautui haarautumistaan ja kurkotti oksiaan. Se sai paljon vettä ja kasvoi.
5Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany.
6Sen oksilla pesivät kaikki taivaan linnut, sen lehvien suojassa syntyivät kaikki metsän eläimet, sen varjossa asuivat kaikki maailman kansat.
6Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza rehetra.
7Siitä kasvoi suuri ja kaunis puu, ja se ulotti oksansa etäälle, sillä sen juuret yltivät suuriin vesiin asti.
7Ka dia tsara tarehy tamin'ny fahalehibiazany sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny rano maro ny fakany.
8Yksikään Jumalan puutarhan setri ei ollut sen vertainen. Sypressipuiden oksia ei voinut verrata sen oksiin, eivätkä plataanien latvat olleet sen latvojen vertaiset. Yksikään Jumalan puutarhan puu ei ollut niin kaunis.
8Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
9Minä tein siitä kauniin puun, haarautuvan ja tuuhean. Kaikki Eedenin puut, Jumalan puutarhan puut kadehtivat sitä.
9Nohatsaraiko tamin'ny haben'ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
10"Sen tähden sanoo Herra Jumala: Koska se on kasvanut niin korkeaksi, että on kurottanut latvansa pilviin ja ylpistynyt omasta korkeudestaan,
10Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin'ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,[Heb. ianao]
11minä annan sen kansojen käskijän armoille, ja hän tekee sille sen, mitä jumalattomille tehdään. Minä olen sen hylännyt.
11Dia hatolotro eo an-tànan'ilay mahery amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy.
12"Niin muukalaiset, kansoista julmimmat, kaatoivat sen. He paiskasivat sen vuorille, ja sen oksat lentelivät kaikkialle laaksoihin, sen latvukset pirstoutuivat joka puolelle maata purojen uomiin, ja maan kaikki kansat lähtivät sen lehvien varjosta ja jättivät sen.
12Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
13Sen kaatuneelle rungolle tekivät pesänsä taivaan linnut, ja sen oksien suojaan asettuivat metsän eläimet.
13Mipetraka eo amin'ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny bibi-dia rehetra,
14"Enää eivät veden äärellä kasvavat puut kohoa korkeuksiin, enää ne eivät kohota latvaansa pilvien keskelle. Yksikään vettä juova puu ei enää kestä lujana korkeuksissaan. Ne syöstään kaikki kuoleman valtaan, alimpaan tuonelaan, hautaan vaipuneiden ihmisten pariin.
14Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay midina any an-davaka.
15"Näin sanoo Herra Jumala: Sinä päivänä, jona se puu suistuu tuonelaan, minä panen kaikki syvyyden vedet murehtimaan, minä peitän ne ja estän niitä virtaamasta. Libanonin vuoret minä puen surupukuun sen puun kohtalon vuoksi, ja kaikkialla metsissä puut surevat sitä ja pudottavat lehtensä.
15Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.[Heb. sheola]
16Minä panen kansat vapisemaan, kun se ryskyen kaatuu, kun minä syöksen sen alas tuonelaan yhdessä hautaan vaipuvien kanssa. Niin saavat tuonelassa hyvityksen kaikki Eedenin puut, Libanonin parhaat ja kauneimmat, kaikki, jotka saivat kyllälti vettä.
16Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,[Heb. sheola]
17Ne ovat yhdessä tuon puun kanssa tuonelan maassa, julmasti surmattujen parissa. Kaikki, jotka elivät puun suojassa, hajotetaan vieraiden kansojen sekaan.
17Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita, ho any amin'izay voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.[Heb. sheola]Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
18"Oliko yksikään Eedenin puista sinun vertaisesi, yhtä maineikas ja mahtava kuin sinä? Silti sinut yhdessä Eedenin puiden kanssa syöstään syvimpään tuonelaan, heitetään ympärileikkaamattomien ja julmasti surmattujen joukkoon. Niin käy faraon ja hänen korskean joukkonsa. Näin sanoo Herra Jumala."
18Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.