1Tämä on luettelo Esaun eli Edomin jälkeläisistä.
1[Ny taranak'i Esao] Ary izao no taranak'i Esao (Edoma izany):
2Esau otti vaimoikseen kaksi kanaanilaisnaista: Adan, heettiläisen Elonin tyttären, ja Oholibaman, joka oli horilaisen Sibeonin pojan Anan tytär.
2Esao naka vady tamin'ny zanakavavin'ny Kananita, dia Ada, zanak'i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak'i Ana, zanakavavin'i Zibona Hivita,
3Heidän lisäkseen hän otti vaimokseen Ismaelin tyttären Basematin, joka oli Nebajotin sisar.
3ary Basemata, zanakavavin'Isimaela sady anabavin'i Nebaiota.
4Ada synnytti Esaulle Elifasin, Basemat synnytti Reuelin,
4Ary Ada niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao; ary Basemata niteraka an'i Regoela;
5ja Oholibama synnytti Jeusin, Jaelamin ja Korahin. Nämä olivat Esaun pojat, jotka syntyivät hänelle Kanaaninmaassa.
5ary Oholibama niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany tany amin'ny tany Kanana.
6Sitten Esau otti mukaan vaimonsa, poikansa, tyttärensä ja kaiken väkensä, karjansa, kaikki juhtansa ja kaiken maassa hankkimansa omaisuuden ja muutti toiseen maahan veljensä Jaakobin tieltä.
6Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.
7Heillä oli kummallakin niin runsaasti karjaa, etteivät he enää mahtuneet asumaan samalla seudulla eikä maa, jossa he asuivat muukalaisina, riittänyt antamaan elantoa heille molemmille heidän suurten laumojensa vuoksi.
7Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
8Esau eli Edom asettui asumaan Seirin vuorille.
8Koa nonina tany an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany).
9Tämä on luettelo Esaun, Edomin kantaisän, jälkeläisistä, jotka asuvat Seirin vuoristossa.
9Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:
10Nämä olivat Esaun poikien nimet: Elifas, Esaun vaimon Adan poika; Reuel, Esaun vaimon Basematin poika.
10Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao dia izao: Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela, zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
11Elifasin pojat olivat Teman, Omar, Sefo, Gaetam ja Kenas.
11Ary ny zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
12Esaun pojalla Elifasilla oli myös sivuvaimo Timna, joka synnytti hänelle Amalekin. Tässä olivat Esaun vaimon Adan jälkeläiset.
12Ary Timna no vaditsindranon'i Elifaza, zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao.
13Reuelin pojat olivat Nahat, Serah, Samma ja Missa. He olivat Esaun vaimon Basematin jälkeläisiä.
13Ary izao no zanakalahin'i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao.
14Pojat, jotka Esaun vaimo Oholibama, Sibeonin pojan Anan tytär, synnytti Esaulle, olivat Jeus, Jaelam ja Korah.
14Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao: niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin'i Esao izy.
15Seuraavassa luetellaan Esaun jälkeläisten heimo- kunnat. Esaun esikoisen Elifasin jälkeläisiä olivat nämä heimokunnat: Teman, Omar, Sefo, Kenas,
15Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
16Ko- rah, Gaetam ja Amalek. Tässä olivat Elifasin suvun heimokunnat, jotka asuivat Edomin maassa. Nämä oli- vat Adan jälkeläisiä.
16sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin'i Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Ada.
17Esaun pojan Reuelin jälkeläisten heimokunnat olivat Nahat, Serah, Samma ja Missa. Tässä olivat Reuelin suvun heimokunnat, jotka nekin asuivat Edomin maassa. Nämä olivat Esaun vaimon Basematin jälkeläisiä.
17Ary izao no zanakalahin'i Regoela, zanak'i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Regoela tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
18Esaun vaimon Oholibaman pojat olivat Jeus, Jaelam ja Korah. Heistä saivat nimensä Esaun vaimon Oholibaman, Anan tyttären, jälkeläisten heimokunnat.
18Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao.
19Tässä olivat Esaun pojat ja heistä polveutuneet heimokunnat. Tämä oli Edomin suku.
19Ireo no zanak'i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
20Nämä olivat horilaisen Seirin pojat, jotka entuudestaan asuivat Edomin maassa: Lotan, Sobal, Sibeon, Ana,
20Ary izao no zanakalahin'i Seïra Horita, izay nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana
21Dison, Eser ja Disan. Heistä saivat nimensä horilaisten, Seirin jälkeläisten, heimokunnat Edomin maassa.
21sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i Seïra, tany amin'ny tany Edoma.
22Lotanin pojat olivat Hori ja Hemam, ja Lotanilla oli sisar nimeltä Timna.
22Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana.
23Sobalin pojat olivat Alvan, Manahat, Ebal, Sefo ja Onam.
23Ary izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
24Sibeonin pojat olivat Aija ja Ana; hän oli se Ana, joka löysi kuumat lähteet autiomaasta paimentaessaan isänsä Sibeonin aaseja.
24Ary izao no zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy).
25Anan poika oli Dison, ja hänen tyttärensä oli Oholibama.
25Ary izao no zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin'i Ana.
26Disonin pojat olivat Hemdan, Esban, Jitran ja Keran.
26Ary izao no zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
27Eserin pojat olivat Bilhan, Saavan ja Akan.
27Ary izao no zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
28Ja Disanin pojat olivat Us ja Aran.
28Ary izao no zanak'i Disana: Oza sy Arana.
29Nämä olivat horilaisten heimokunnat: Lotan, Sobal, Sibeon, Ana,
29Ary izao no loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
30Dison, Eser ja Disan. Tässä olivat Seirin maassa asuvat horilaisten heimokunnat järjestyksessä lueteltuina.
30sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra.
31Nämä olivat ne kuninkaat, jotka hallitsivat Edo- min maassa ennen kuin israelilaisilla oli kuningasta hallitsijanaan:
31Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely:
32Edomin ensimmäinen kuningas oli Bela, Beorin poika, ja hänen hallituskaupunkinsa nimi oli Dinhaba.
32Nanjaka tany Edoma Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.
33Belan kuoltua tuli kuninkaaksi Jobab, Serahin poika, kotoisin Bosrasta.
33Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera avy tany Bozra.
34Jobabin kuoltua tuli kuninkaaksi Husam, kotoisin Temanin maasta.
34Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita.
35Husamin kuoltua tuli kuninkaaksi Hadad, Bedadin poika, se joka voitti midianilaiset Moabin tasangolla. Hänen hallituskaupunkinsa oli Avit.
35Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.
36Hadadin kuoltua tuli kuninkaaksi Samla, kotoisin Masrekasta.
36Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
37Samlan kuoltua tuli kuninkaaksi Saul, kotoisin Rehobot-Naharista.
37Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron'ny Ony.
38Saulin kuoltua tuli kuninkaaksi Baal-Hanan, Akborin poika.
38Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.
39Kun Baal-Hanan, Akborin poika, kuoli, tuli kuninkaaksi Hadar. Hänen hallituskaupunkinsa oli Pau. Hänen vaimonsa oli Mehetabel, Matredin tytär; Matred puolestaan oli Me-Sahabin tytär.
39Ary maty Bala-hanana, zanak'i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.
40Nämä olivat Esaun jälkeläisten heimokunnat lueteltuina suvuittain ja asuinpaikkojensa mukaan: Timna, Alva, Jetet,
40Ary izao no anaran'ny loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny
41Oholibama, Ela, Pinon,
41sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
42Kenas, Teman, Mibsar,
42sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pirenenysy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny Edomita.
43Magdiel ja Iram. Tässä olivat Edomin maan heimokunnat lueteltuina asuin- paikkojensa mukaan. Tämä oli Esaun, Edomin kan- taisän, suku.
43sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny Edomita.