Pyhä Raamattu

Malagasy

Genesis

5

1Tämä on luettelo Aadamin jälkeläisistä. Luodessaan ihmisen Jumala teki hänet kaltaisekseen.
1[Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;
2Hän loi ihmisen mieheksi ja naiseksi. Ja hän siunasi heidät ja antoi heille nimeksi ihminen silloin kun heidät luotiin.
2lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.
3Kun Aadam oli elänyt 130 vuotta, hänelle syntyi poika, joka oli hänen näköisensä, hänen kaltaisensa, ja hän antoi pojalle nimen Set.
3Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
4Setin syntymän jälkeen Aadam eli vielä 800 vuotta, ja hänelle syntyi sinä aikana lisää poikia ja tyttäriä.
4Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
5Aadam eli kaikkiaan 930 vuotta, ja sitten hän kuoli.
5Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
6Kun Set oli elänyt 105 vuotta, hänelle syntyi Enos.
6Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.
7Enosin syntymän jälkeen Set eli vielä 807 vuotta, ja hänelle syntyi lisää poikia ja tyttäriä.
7Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
8Set eli kaikkiaan 912 vuotta ja kuoli sitten.
8Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
9Kun Enos oli elänyt 90 vuotta, hänelle syntyi Kenan.
9Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.
10Kenanin syntymän jälkeen Enos eli vielä 815 vuotta, ja hänelle syntyi lisää poikia ja tyttäriä.
10Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
11Enos eli kaikkiaan 905 vuotta ja kuoli sitten.
11Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
12Kun Kenan oli elänyt 70 vuotta, hänelle syntyi Mahalalel.
12Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.
13Mahalalelin syntymän jälkeen Kenan eli vielä 840 vuotta, ja hänelle syntyi lisää poikia ja tyttäriä.
13Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14Kenan eli kaikkiaan 910 vuotta ja kuoli sitten.
14Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
15Kun Mahalalel oli elänyt 65 vuotta, hänelle syntyi Jered.
15Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy.
16Jeredin syntymän jälkeen Mahalalel eli vielä 830 vuotta, ja hänelle syntyi lisää poikia ja tyttäriä.
16Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
17Mahalalel eli kaikkiaan 895 vuotta ja kuoli sitten.
17Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
18Kun Jered oli elänyt 162 vuotta, hänelle syntyi Henok.
18Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy.
19Henokin syntymän jälkeen Jered eli vielä 800 vuotta, ja hänelle syntyi lisää poikia ja tyttäriä.
19Ary ny andro niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20Jered eli kaikkiaan 962 vuotta ja kuoli sitten.
20Ary ny andro rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
21Kun Henok oli elänyt 65 vuotta, hänelle syntyi Metuselah.
21Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy.
22Metuselahin syntymän jälkeen Henok eli vielä 300 vuotta vaeltaen aina Jumalan tahdon mukaisesti, ja hänelle syntyi lisää poikia ja tyttäriä.
22Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
23Henok eli kaikkiaan 365 vuotta.
23Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
24Hän vaelsi kuuliaisena Jumalalle. Sitten häntä ei enää ollut, sillä Jumala otti hänet luokseen.
24Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra.
25Kun Metuselah oli elänyt 187 vuotta, hänelle syntyi Lemek.
25Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy.
26Lemekin syntymän jälkeen Metuselah eli vielä 782 vuotta, ja hänelle syntyi lisää poikia ja tyttäriä.
26Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
27Metuselah eli kaikkiaan 969 vuotta ja kuoli sitten.
27Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
28Kun Lemek oli elänyt 182 vuotta, hänelle syntyi poika.
28Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
29Hän antoi pojalle nimen Nooa ja sanoi: "Tämä poika on antava meille lohtua työssämme ja vaivannäössämme, kun viljelemme maata, jonka Herra on kironnut."
29ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah.
30Lemek eli Nooan syntymän jälkeen vielä 595 vuotta, ja hänelle syntyi lisää poikia ja tyttäriä.
30Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
31Lemek eli kaikkiaan 777 vuotta ja kuoli sitten.
31Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
32Kun Nooa oli elänyt 500 vuotta, hänelle syntyivät Seem, Haam ja Jafet.
32Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.