1Herra sanoi Nooalle: "Mene perheinesi arkkiin, sillä minä olen havainnut sinut ainoaksi vanhurskaaksi tämän sukupolven joukossa.
1Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.
2Ota kaikkia uhrikelpoisia karjaeläimiä seitsemän paria, uroksia ja naaraita, mutta kaikkia epäpuhtaita karjaeläimiä ota kaksi, uros ja naaras.
2Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
3Myös taivaan lintuja ota seitsemän paria, uroksia ja naaraita, että niiden suku jatkuisi maan päällä.
3ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.
4Seitsemän päivän kuluttua minä lähetän maan päälle sateen, jota kestää neljäkymmentä päivää ja neljäkymmentä yötä. Minä pyyhin pois maan päältä kaikki olennot, jotka olen luonut."
4Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.
5Nooa teki niin kuin Herra oli häntä käskenyt.
5Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy.
6Nooa oli kuudensadan vuoden ikäinen, kun vedenpaisumus tuli.
6Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
7Hän vei poikansa, vaimonsa ja poikiensa vaimot mukanaan arkkiin vedenpaisumukselta turvaan.
7Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
8Uhrikelpoisia ja epäpuhtaita karjaeläi- miä, lintuja ja kaikkia maalla liikkuvia pikkueläi- miä
8Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,
9meni pareittain, uros ja naaras kutakin lajia, Nooan luo arkkiin, niin kuin Jumala oli hänelle sanonut.
9dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.
10Kun seitsemän päivää oli kulunut, tuli vedenpaisumus maan päälle.
10Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
11Sinä vuonna, jona Nooa täytti kuusisataa vuotta, vuoden toisen kuukauden seitsemäntenätoista päivänä, puhkesivat kaikki syvyyden lähteet ja taivaan ik- kunat aukenivat.
11Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.
12Maan päällä satoi rankasti nel- jäkymmentä päivää ja neljäkymmentä yötä.
12Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
13Juuri sinä päivänä Nooa sekä hänen kolme poikaansa Seem, Haam ja Jafet, hänen vaimonsa ja hänen kolmen poi- kansa vaimot menivät arkkiin.
13Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
14Heidän lisäkseen arkkiin meni kaikkia villieläimiä, karjaeläimiä ja maalla liikkuvia pikkueläimiä sekä kaikkia lintuja, niin pikkulintuja kuin muitakin siivekkäitä.
14dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
15Nooan luo tuli kaikkia eläviä olentoja pareittain,
15Dia niditra tao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
16jokaista lajia uros ja naaras, niin kuin Jumala oli Nooalle sanonut. Ja Jumala sulki oven Nooan jälkeen.
16Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.
17Niin tuli vedenpaisumus neljäksikymmeneksi päiväksi maan päälle. Vedet nousivat ja nostivat arkin irti, niin että se kohosi korkealle maasta.
17Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.
18Vedet paisuivat ja lisääntyivät suuresti maan päällä, ja arkki ajelehti veden pinnalla.
18Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara.
19Ja vedet paisuivat paisumistaan, kunnes korkeimmatkin vuoret peittyivät.
19Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra.
20Vesi nousi, ja vuoret jäivät viisitoista kyynärää veden alle.
20Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
21Silloin tuhoutuivat kaikki maan elävät olennot, linnut, karjaeläimet, villieläimet ja kaikki maan päällä vilisevät pikkueläimet sekä kaikki ihmiset.
21Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.
22Kaikki kuivalla maalla elävät olennot kuolivat, kaikki, joissa oli elämän henkäys.
22Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa.
23Näin Herra pyyhkäisi maan päältä kaikki elävät olennot, ihmiset, karjaeläimet, pikkueläimet ja linnut; kaikki ne hän pyyhkäisi pois. Jäljelle jäivät vain Nooa sekä ne, jotka olivat hänen kanssaan arkissa.
23Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
24Maa oli veden vallassa sataviisikymmentä päivää.
24Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.