1Huuda kurkun täydeltä, älä arkaile, anna äänesi kaikua kuin pasuuna! Kerro kansalleni sen rikokset, Jaakobin suvulle sen synnit.
1[Ny fivavahana marina, sy ny fivavahana tsy izy] Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany Ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany;
2Minua he ovat etsivinään päivästä päivään ja kyselevät tietoa minun teistäni niin kuin kansa, joka noudattaa vanhurskautta eikä ole hylännyt Jumalansa säätämää oikeutta. He pyytävät minulta oikeudenmukaisia tuomioita, he pyytävät Jumalaa puolelleen ja sanovat:
2Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan'andro isan'andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik'Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian'Andriamanitra. [Na: Sy fifaliany hanakaiky an']
3"Miksi sinä et huomaa, kuinka me paastoamme? Etkö näe, kuinka me kuritamme itseämme?" Näen kyllä! Paastopäivänäkin te ajatte omia etujanne, te ahdistatte niitä, jotka raatavat puolestanne.
3Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin'ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo. [Heb. hitanareo][Na: Ary mbola arosonareo fatratra ihany sy asanareo]
4Riitaa ja katkeruutta teidän paastonne tuottaa, raakoja nyrkiniskuja. Te ette enää pidä sellaista paastoa, joka kantaa rukoukset taivaisiin.
4Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton'ny ifadianareo ary ny hamely amin'ny totohondrin'ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin'ny avo.
5Tuollaistako paastoa minä teiltä odotan, tuollaista itsenne kurittamisen päivää? Sitäkö, että te riiputatte päätänne kuin rannan ruoko, pukeudutte säkkivaatteeseen, makaatte maan tomussa, sitäkö te kutsutte paastoksi, Herran mielen mukaiseksi päiväksi?
5Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian'ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan'i Jehovah?
6Toisenlaista paastoa minä odotan: että vapautat syyttömät kahleista, irrotat ikeen hihnat ja vapautat sorretut, että murskaat kaikki ikeet,
6Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
7murrat leipää nälkäiselle, avaat kotisi kodittomalle, vaatetat alastoman, kun hänet näet, etkä karttele apua tarvitsevaa veljeäsi.
7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao ianao? [Heb. hiery ny nofonao]
8Silloin sinun valosi puhkeaa näkyviin kuin aamunkoi ja hetkessä sinun haavasi kasvavat umpeen. Vanhurskaus itse kulkee sinun edelläsi ja Herran kirkkaus seuraa suojanasi.
8Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao
9Ja Herra vastaa, kun kutsut häntä, kun huudat apua, hän sanoo: "Tässä minä olen." Jos hävität sorron ikeen keskuudestasi ja lopetat sormella osoittelun ja pahat puheet,
9Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
10jos annat nälkäiselle omastasi ja ravitset sen, joka kärsii puutetta, niin sinun pimeyteesi koittaa valo ja yön varjo muuttuu keskipäivän kirkkaudeksi.
10Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
11Ja Herra on alati ohjaava sinua. Aavikon paahteessakin hän elvyttää voimasi ja vahvistaa jäsenesi. Sinä olet kuin vehmas puutarha, kuin lähde, jonka vesi ei ehdy.
11Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
12Ammoin raunioituneet asumuksesi sinä rakennat jälleen, pystytät rakennuksia muinaisille perustuksille, ja niin sinun nimesi on oleva: sortuneiden muurien korjaaja, maan asutuksen elvyttäjä.
12Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.
13Jos et polje tomuun sapattia etkä aja omia etujasi minun pyhänä päivänäni, jos nimität sapattia ilon päiväksi ja Herran pyhää päivää kunnian päiväksi, jos kunnioitat sitä niin, ettet kulje omilla asioillasi, et käy kauppaa etkä aja omia etujasi,
13Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, [Na: Azy]Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
14silloin saat iloita Herrasta. Minä annan sinun kulkea kaikkien vuorten yli, ja olet saava elantosi isäsi Jaakobin perintömaasta. Näin on Herra puhunut.
14Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.