1Herra sanoi minulle: "Osta itsellesi saviruukku. Ota mukaasi muutamia kansan ja pappien vanhimpia
1[Fanoharana ny amin'ny tavoara vaky] Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,
2ja mene Sirpaleportista Ben-Hinnomin laaksoon. Julista siellä sanat, jotka minä sinulle annan.
2dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,[Harsota = tavim-bilany(?)]
3"Sano näin: Kuulkaa Herran sana, te Juudan kuninkaat ja Jerusalemin asukkaat! Näin sanoo Herra Sebaot, Israelin Jumala: Minä tuon tähän paikkaan sellaisen onnettomuuden, että joka siitä kuulee, sen molemmat korvat soivat.
3ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny
4Kansani on hylännyt minut ja käyttänyt väärin tätä paikkaa. He ovat polttaneet täällä uhreja jumalille, jotka olivat vieraita heille itselleen, heidän isilleen ja Juudan kuninkaille. He ovat täyttäneet tämän paikan viattomien ihmisten verellä.
4satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanàna ity
5He ovat rakentaneet alttareita polttaakseen lapsiaan tulessa uhreina Baalille. Sitä minä en ole käskenyt heidän tehdä, sellainen ei tulisi mieleenikään!"
5ary nanorina ny fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
6Kuulkaa siis, mitä Herra sanoo: "Tulee aika, jolloin tätä paikkaa ei sanota enää Tofetiksi, Ben-Hinnomin laaksoksi, vaan sitä sanotaan Murhalaaksoksi.
6Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7Tässä paikassa minä murskaan Juudan ja Jerusalemin asukkaiden suunnitelmat. Minä annan heidän kaatua vihollistensa miekkaan, jätän heidät niiden käsiin, jotka tavoittelevat heidän henkeään. Heidän ruumiinsa minä annan haaskalintujen ja villieläinten ruoaksi.
7Ary hofoanako amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.[Heb. hararako]
8Minä teen tämän kaupungin niin autioksi, että kaikki sitä kavahtavat. Jokainen ohikulkija järkyttyy nähdessään sen tuhon.
8Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
9Minä panen kaupungin asukkaat hädässään syömään poikiensa ja tyttäriensä lihaa, ja he joutuvat syömään myös toinen toisensa lihaa, kun viholliset piirittävät heitä ja tavoittelevat heidän henkeään.
9Ary hampihinaniko ny nofon'ny zananilahy sy ny nofon'ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon'ny namany avy izy eo amin'ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren'ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10"Särje saviruukku niiden miesten nähden, jotka ovat mukanasi.
10Dia torotoroy eo imason'ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,
11Sano heille: Näin sanoo Herra Sebaot: Niin kuin tämä saviastia särjetään, niin ettei sitä enää voi korjata, niin minä särjen tämän kansan ja tämän kaupungin. Ja kuolleita haudataan Tofetiin, kun muualla ei ole enää tilaa.
11ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.
12Näin minä teen tälle paikalle ja sen asukkaille, sanoo Herra. Tämän kaupungin käy niin kuin Tofetin.
12Dia toy izany no hataoko amin'ity tanàna ity sy amin'izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an'i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah.
13Jerusalemin taloista ja Juudan kuninkaiden taloista tulee yhtä saastaisia kuin Tofet -- kaikista näistä taloista, joiden katoilla on poltettu suitsuketta taivaan tähdille ja vuodatettu juomauhreja vieraille jumalille."
13Ary ny tranon'i Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an'i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an'izay andriamani-kafa.
14Palattuaan Tofetista, jonne Herra oli lähettänyt hänet julistamaan sanansa, Jeremia asettui seisomaan Herran temppelin esipihalle ja puhui kansalle:
14[Ny faminanian'i Jeremia ny loza, sy ny nanoheran'i Pasora azy] Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.
15"Näin sanoo Herra Sebaot, Israelin Jumala: Minä tuon tälle kaupungille ja kaikille Juudan kaupungeille onnettomuuden, jolla olen niitä uhannut. Niiden asukkaat ovat uppiniskaisia, he eivät ole kuunnelleet minun sanojani."
15Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.