1Saman vuoden viidennessä kuussa -- Juudan kuninkaan Sidkian hallitusajan alkupuolella, hänen neljäntenä hallitusvuotenaan -- astui profeetta Hananja, Asurin poika Gibeonista, Jeremian eteen Herran temppelissä. Pappien ja kansanjoukon kuullen Hananja sanoi:
1[Ny faminanian'i Hanania mpaminany sandoka, sy ny navalin'i Jeremia azy] Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
2"Herra Sebaot, Israelin Jumala, sanoo: Minä särjen Babylonian ikeen!
2Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona,
3Ennen kuin kaksi vuotta on kulunut, minä tuon tähän paikkaan takaisin kaikki Herran temppelin esineet, jotka Babylonian kuningas Nebukadnessar vei täältä mukanaan Babyloniaan.
3ka ao anatin'ny roa taona no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:
4Myös Juudan kuninkaan Jekonjan, Jojakimin pojan, ja kaikki muut Juudan pakkosiirtolaiset, jotka joutuivat Babyloniaan, minä tuon tänne takaisin. Minä särjen Babylonian ikeen, sanoo Herra."
4ary Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin'ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona.
5Mutta profeetta Jeremia sanoi profeetta Hananjalle pappien ja temppeliin kokoontuneen kansan kuullen:
5Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon'i Jehovah,
6"Aamen! Kunpa Herra tekisikin niin! Antakoon hän ennustuksesi toteutua ja tuokoon hän Herran temppelin esineet ja kaikki pakkosiirtolaiset Babyloniasta tänne takaisin.
6Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity indray.
7Paina kuitenkin mieleesi, mitä minä sinulle nyt sanon kaikkien näiden ihmisten kuullen:
7Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
8Kaikkina aikoina, jo ennen minua ja sinua, profeetat ovat ennustaneet monille kansoille ja suurille valtakunnille sotaa, onnettomuutta ja ruttoa.
8Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
9Jos siis joku profeetta julistaa rauhaa, on syytä katsoa, käykö hänen sanansa toteen. Vasta sitten nähdään, onko hän todella Herran lähettämä profeetta."
9Ny amin'ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin'i Jehovah tokoa izy.
10Silloin Hananja otti ikeen Jeremian niskasta ja särki sen.
10Dia nesorin'i Hanania mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
11Hananja sanoi koko kansanjoukon kuullen: "Herra sanoo: Näin minä särjen Babylonian kuninkaan Nebukadnessarin ikeen kaikkien kansojen niskasta, ennen kuin kaksi vuotta on kulunut." Sen kuultuaan Jeremia lähti pois.
11Ary Hanania niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, ho afaka amin'ny vozon'ny firenena rehetra ao anatin'ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.
12Jonkin ajan kuluttua siitä, kun Hananja oli särkenyt ikeen Jeremian niskasta, Jeremialle tuli tämä Herran sana:
12Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, nony efa notapahin'i Hanania mpaminany ho afaka tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:
13"Mene Hananjan luo ja sano hänelle: Näin sanoo Herra: Sinä särjit puisen ikeen mutta nostat sen tilalle rautaisen!
13Mandehana, ka lazao amin'i Hanania hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony.
14Sillä näin sanoo Herra Sebaot, Israelin Jumala: Minä panen rautaisen ikeen kaikkien näiden kansojen niskaan. Niiden on palveltava Babylonian kuningasta Nebukadnessaria. Vieläpä villieläimet minä annan hänen valtaansa."
14Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin'ny vozon'ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
15Vielä Jeremia sanoi Hananjalle: "Kuule, Hananja! Herra ei ole sinua lähettänyt. Sinä olet saanut tämän kansan luottamaan valheeseen.
15Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin'ny lainga.
16Sen tähden Herra sanoo näin: Mene, sinulla ei ole enää osaa eikä arpaa maan päällä! Tänä vuonna sinä kuolet, koska olet puhunut valhetta minun nimissäni."
16Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin'ny tany ianao; amin'ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notorinaoKa dia maty tamin'ny volana fahafito tamin'iny taona iny ihany Hanania mpaminany.
17Sen vuoden seitsemännessä kuussa profeetta Hananja kuoli.
17Ka dia maty tamin'ny volana fahafito tamin'iny taona iny ihany Hanania mpaminany.