Pyhä Raamattu

Malagasy

Job

18

1Nyt suahilainen Bildad alkoi jälleen puhua. Hän sanoi:
1[Ny teny fanindroany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2-- Kuinka kauan aiotte kierrellä asiaa? Miettikää ensin ja puhukaa sitten!
2Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
3Olemmeko me sinun silmissäsi pelkkää karjaa, pelkkiä typeryksiä?
3Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
4Raivon vallassa sinä raatelet itseäsi. Pitäisikö maan autioitua ja kallioiden siirtyä paikoiltaan, jotta sinä saisit olla oikeassa?
4Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
5Sinäkin tiedät, että jumalattoman valo sammuu, hänen liekkinsä ei loista.
5Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
6Hänen majansa valo pimenee, hänen lamppunsa sammuu.
6Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
7Hänen askelensa, ennen lujat, hidastuvat. Hänen omat suunnitelmansa kaatavat hänet,
7Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
8hänen jalkansa jäävät kiinni verkkoon, hän astuu suoraan pyyntihaudan katteelle.
8Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;
9Hänen nilkkansa tarttuu paulaan, silmukka kiristyy.
9Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana
10Maassa on häntä varten piilossa pyydys, hänen polullaan odottaa ansa.
10Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
11Joka puolelta kauhunäyt ahdistavat häntä, ne seuraavat hänen kintereillään.
11Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
12Ahnas tuho vaanii häntä, turmio on valmiina kaatamaan hänet,
12Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]
13tauti syö hänen ihonsa, kalma ahmii hänen jäsenensä.
13Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.
14Hänet temmataan pois turvallisesta majastaan ja viedään kauhujen kuninkaan eteen.
14Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
15Hänen majansa jää vieraille, hänen asuinpaikalleen sirotellaan rikkiä.
15Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.
16Hänen juurensa kuivuvat, hänen lehvänsä lakastuvat.
16Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]
17Maan päällä ei kukaan enää häntä muista, hänen nimeään ei kuulla kaduilla.
17Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
18Hänet syöstään valosta pimeyteen, hänet ajetaan pois maan päältä.
18Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.
19Ei jää häneltä kansansa keskelle sukua, ei jälkeläistä, ei ketään sinne, missä hän asui.
19Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.
20Lännen asukkaat järkyttyvät hänen kohtalostaan, idän miehet vapisevat kauhusta.
20Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
21Näin käy väärintekijän asuinsijan, näin sen miehen kodin, joka ei tunne Jumalaa.
21Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.