1Leeviläissukujen päämiehet tulivat Silossa, Kanaaninmaassa, pappi Eleasarin ja Joosuan, Nunin pojan, sekä Israelin muiden heimojen päämiesten luo
1[Ny tanànan'ny mpisorona sy ny Levita] Ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita dia nanatona an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely
2ja sanoivat heille: "Mooses sai Herralta määräyksen, että meille on annettava kaupunkeja asuinpaikoiksi ja karjaamme varten laitumia."
2ka niteny taminy tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay.
3Israelilaiset antoivat Herran käskyn mukaisesti omilta alueiltaan leeviläisille kaupunkeja ja laitumia.
3Dia avy tamin'ny lovany no nanomezan'ny Zanak'Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin'i Jehovah.
4Jakoa tehtäessä arpa osui ensimmäiseksi kehatilaissukuihin. Pappi Aaronista polveutuville annettiin arpomalla kolmetoista kaupunkia Juudan, Simeonin ja Benjaminin heimojen alueelta.
4Dia nahazo loka ny fokon'ny Kehatita; ary ny loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona isan'ny Levita dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny firenen'i Simeona ary ny firenen'i Benjamina.
5Muille kehatilaissuvuille arvottiin kymmenen kaupunkia Efraimin ja Danin heimojen sekä Manassen heimon toisen puoliskon alueelta.
5Ary ny loka azon'ny taranak'i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'i Efraima sy ny firenen'i Dana ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
6Gersonilaissuvuille arvottiin kolmetoista kaupunkia Isaskarin, Asserin ja Naftalin heimojen alueelta sekä Manassen heimon toisen puoliskon alueelta Basanista.
6Ary ny loka azon'ny taranak'i Gersona dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase any Basana.
7Merarilaissuvuille arvottiin kaksitoista kaupunkia Ruubenin, Gadin ja Sebulonin heimojen alueelta.
7Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.
8Nämä kaupungit ja niitä ympäröivät laidunmaat israelilaiset arpoivat leeviläisille sen määräyksen mukaisesti, jonka Mooses oli Herralta saanut.
8Dia nomen'ny Zanak'Isiraely ny Levita tamin'ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy.
9Juudan ja Simeonin heimojen alueelta annettiin seuraavat kaupungit,
9Dia nomeny avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ireto tanàna hotononina ireto,
10jotka tulivat pappi Aaronin pojasta Kehatista polveutuville leeviläisille, sillä ensimmäinen arpa oli osunut heihin.
10izay azon'ny taranak'i Arona, isam-pokon'ny taranak'i Kehata. amin'ny taranak'i Levy; fa azy ny loka voalohany.
11Heille annettiin Juudan vuoristosta Anokin heimon kantaisän Arban kaupunki Kirjat-Arba eli Hebron sekä sitä ympäröivät laidunmaat.
11Dia nomeny azy ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany), any amin'ny tany havoan'i Joda, mbamin'ny tany manodidina azy. [Kiriat-arba; izahao XV. 54]
12Kaupungin peltomaat ja ympäristökylät oli annettu perintöosaksi Kalebille, Jefunnen pojalle.
12Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.
13Aaronin jälkeläisille annettiin Hebron, turvakaupunki, sekä lisäksi Libna,
13Dia nomeny ny taranak'i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
14Jattir, Estemoa,
14ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,
15Holon, Debir,
15ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,
16Asan, Jutta ja Bet-Semes, yhteensä yhdeksän kaupunkia laidunmaineen Juudan ja Simeonin heimojen alueelta.
16ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin'ireo firenena roa ireo;
17Benjaminin heimon alueelta annettiin Gibeon, Geba,
17ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy
18Anatot ja Almon, yhteensä neljä kaupunkia laidunmaineen.
18ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.
19Aaronin suvun papeilla oli siis kaikkiaan kolmetoista kaupunkia laidunmaineen.
19Ny tanàna rehetra an'ny mpisorona, taranak'i Arona, dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
20Muut kehatilaissukuihin kuuluvat leeviläiset saivat arpomalla asuinpaikkansa Efraimin heimon alueelta.
20Ary ny amin'ny taranak'i Rehata, dia ny Levita sisa tamin'ny taranak'i Kehata, ny tanàna azony tamin'ny filokana dia avy tamin'ny firenen'i Efraima.
21Heille annettiin Efraimin vuoristosta Sikem, turvakaupunki, sekä lisäksi Geser,
21Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy
22Kibsaim ja Bet-Horon, yhteensä neljä kaupunkia laidunmaineen.
22ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
23Danin heimon alueelta heille annettiin Elteke, Gibbeton,
23ary avy tamin'ny firenen'i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy.
24Aijalon ja Gat- Rimmon, yhteensä neljä kaupunkia laidunmaineen.
24ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
25Manassen heimon läntisen puoliskon alueelta heille annettiin kaksi kaupunkia, Taanak ja Jibleam, kumpikin laidunmaineen.
25ary avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanàna roa.
26Näille kehatilaissuvuille tuli siis kaikkiaan kymmenen kaupunkia laidunmaineen.
26Ny tanàna rehetra azon'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.
27Leevistä polveutuvan Gersonin jälkeläisille annettiin Manassen heimon itäisen puoliskon alueelta Basanista Golan, turvakaupunki, ja Beestera, molemmat laidunmaineen.
27Ary izao no azon'ny taranak'i Gersona isan'ny fokon'ny Levita; avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;
28Isaskarin heimon alueelta heille annettiin Kisjon, Daberat,
28ary avy tamin'ny firenen'Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy,
29Jarmut ja En-Gannim, yhteensä neljä kaupunkia laidunmaineen.
29ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
30Asserin heimon alueelta heille annettiin Misal, Abdon,
30ary avy tamin'ny firenen'i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy
31Helkat ja Rehob, yhteensä neljä kaupunkia laidunmaineen.
31ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny ràny manodidina azy, dia tanàna efatra;
32Naftalin heimon alueelta heille annettiin Galileasta Kedes, turvakaupunki, sekä lisäksi Hammot-Dor ja Kartan, yhteensä kolme kaupunkia laidunmaineen.
32ary avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy. dia tanàna telo.
33Gersonilaissuvuille annettiin siis kaikkiaan kolmetoista kaupunkia laidunmaineen.
33Ny tanàna rehetra an'ny Gersonita isam-potony dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy.
34Leevistä polveutuvan Merarin jälkeläisille, jotka eivät vielä olleet saaneet osuuttaan, annettiin Sebulonin heimon alueelta Jokneam, Karta,
34Ary izao no azon'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay Levita sisa: avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,
35Rimmon ja Nahalal, yhteensä neljä kaupunkia laidunmaineen.
35ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
36Jordanin toiselta puolen, Jerikosta itään, heille annettiin Ruubenin heimon alueelta Beser, turvakaupunki, joka sijaitsi ylängöllä autiomaan laidassa, sekä lisäksi Jahas,
36ary avy tamin'ny firenen'i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy,
37Kedemot ja Mefaat, kaikkiaan neljä kaupunkia laidunmaineen.
37ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
38Gadin heimon alueelta Gileadista annettiin Ramot, turvakaupunki, sekä Mahanaim,
38ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
39Hesbon ja Jaeser, yhteensä neljä kaupunkia laidunmaineen.
39ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra.
40Merarilaissuvuille, jotka leeviläisistä suvuista viimeisinä saivat asuinpaikkansa, arvottiin yhteensä kaksitoista kaupunkia.
40Ny tanàna rehetra an'ny taranak'i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin'ny fokon'ny Levita, dia tanàna roa ambin'ny folo no loka azony.
41Kaikkiaan leeviläiset saivat Israelin heimojen alueilta neljäkymmentäkahdeksan kaupunkia.
41Ny tanàna rehetra an'ny Levita teo anatin'ny lovan'ny Zanak'Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny tany manodidina azy avy.
42Jokaiseen kaupunkiin kuuluivat myös sitä ympäröivät laidunmaat.
42Ireo tanàna ireo samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna rehetra ireo.
43Näin Herra oli antanut israelilaisille koko sen maan, jonka hän oli heidän esi-isilleen vannomallaan valalla luvannut antaa. Israelilaiset ottivat maan haltuunsa ja asettuivat sinne asumaan,
43[Ny nahatanterahana ny teny rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely] Dia nomen'i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
44ja Herra antoi heidän asua rauhassa kaikkialla, aivan kuten hän oli heidän esi-isilleen vannonut. Kukaan heidän vihollisistaan ei kyennyt pitämään puoliaan heitä vastaan, vaan Herra antoi kaikki viholliset heidän käsiinsä.
44Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
45Niistä lupauksista, jotka Herra oli Israelille antanut, ei yksikään jäänyt täyttymättä. Kaikki lupaukset kävivät toteen.
45Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.