Pyhä Raamattu

Malagasy

Leviticus

1

1Herra kutsui Mooseksen pyhäkköteltan luo ja puhui hänelle teltan sisältä näin:
1[Ny fanatitra odorana] Ary Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana hoe:
2"Sano israelilaisille: Aina kun joku teistä tahtoo tuoda Herralle uhrilahjaksi karjaeläimen, hän voi tuoda naudan, lampaan tai vuohen.
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
3"Jos hän tahtoo antaa polttouhriksi naudan, hän ottakoon virheettömän sonnin ja tuokoon sen pyhäkköteltan ovelle, jotta Herra olisi hänelle suosiollinen.
3Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.
4Hän pankoon kätensä uhrieläimen pään päälle, ja niin Herra hyväksyy hänen lahjansa ja hänen syntinsä sovitetaan.
4Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
5Hän teurastakoon sonnin siellä Herran edessä, ja papit, Aaronin jälkeläiset, tuokoot uhriveren ja vihmokoot sen joka puolelle alttaria, joka on pyhäkköteltan oven edessä.
5Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
6Tämän jälkeen hän nylkeköön ja paloitelkoon uhrieläimen.
6ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
7Papit, Aaronin jälkeläiset, tehkööt tulen alttarille ja latokoot puita tuleen.
7Ary ireo zanak'i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo amin'ny afo.
8Sitten he asettakoot sekä lihapalat että pään ja rasvan palavien puiden päälle alttarille.
8Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny saborany eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
9Uhrieläimen sisälmykset ja koivet pestäköön vedellä, ja pappi polttakoon kaiken alttarilla. Tämä on polttouhri, tuoksuva tuliuhri, joka on Herralle mieluisa.
9fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin'ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
10"Jos hän tahtoo uhrata pikkukarjaa, lampaan tai vuohen, hän tuokoon virheettömän pässin tai pukin
10Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
11ja teurastakoon sen Herran edessä alttarin pohjoissivulla. Papit, Aaronin jälkeläiset, vihmokoot veren joka puolelle alttaria.
11Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
12Sitten hän paloitelkoon eläimen ja pappi latokoon palat sekä pään ja rasvan palavien puiden päälle alttarille.
12Dia horasainy tsara izy mbamin'ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
13Sisälmykset ja koivet pestäköön vedellä, ja pappi vieköön kaiken alttarille uhrina poltettavaksi. Tämä on polttouhri, tuoksuva tuliuhri, joka on Herralle mieluisa.
13fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
14"Jos joku tahtoo uhrata Herralle polttouhrina linnun, hän tuokoon uhrilahjaksi metsäkyyhkyn tai muun kyyhkysen.
14Ary raha vorona no ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
15Pappi tuokoon linnun alttarin luo, repäisköön irti pään ja polttakoon sen alttarilla. Mutta veri on puserrettava alttarin kylkeen.
15Ary haterin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ràny;
16Kupu sisällyksineen papin tulee heittää alttarin itäpuolelle, paikkaan, jonne kootaan uhrirasvan tuhka.
16ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo amin'ny fitoeran-davenona;ary hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
17Sitten hän repiköön linnun auki siivistä kiinni pitäen, ei kuitenkaan kahtia, ja polttakoon sen palavien puiden päällä alttarilla. Tämä on polttouhri, tuoksuva tuliuhri, joka on Herralle mieluisa.
17ary hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.