Pyhä Raamattu

Malagasy

Nehemiah

1

1Nehemian, Hakaljan pojan, kertomus. Kun kahdentenakymmenentenä vuotena kislev-kuussa olin Susan linnassa,
1Ny tantaran'i Nehemia, zanak'i Hakalia. Tamin'ny volana Kisleo tamin'ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
2tuli veljeni Hanani sinne Juudasta muutamien muiden miesten kanssa. Kysyin heiltä Jerusalemin oloista ja niistä juutalaisista, jotka olivat päässeet palaamaan vankeudesta.
2dia tonga Hanany, anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana, ary ny amin'i Jerosalema.
3He vastasivat: "Ne, jotka ovat päässeet palaamaan tuohon maakuntaan, elävät siellä suuressa kurjuudessa ja häpeässä. Jerusalemin muurit ovat raunioina, ja sen portit on poltettu."
3Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny.
4Tämän kuultuani istuin monta päivää maassa itkien ja murehtien ja paastoten. Minä rukoilin taivaan Jumalaa:
4Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra
5"Herra, taivaan Jumala, sinä suuri ja pelättävä Jumala! Sinä pidät liittosi voimassa ja olet uskollinen niille, jotka rakastavat sinua ja noudattavat käskyjäsi.
5ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
6Avaa silmäsi näkemään ja korvasi kuulemaan palvelijasi rukous! Yötä päivää minä rukoilen sinua palvelijoidesi, israelilaisten, puolesta, ja tunnustan tässä synnit, joita olemme tehneet sinua vastaan. "Myös minä itse ja perhekuntani olemme tehneet syntiä.
6aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
7Me olemme pahoin rikkoneet sinua vastaan, sillä emme ole noudattaneet lakeja, käskyjä ja säädöksiä, jotka sinä palvelijallesi Moosekselle annoit.
7Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao.
8Mutta muistathan, että sanoit Moosekselle: 'Jos te luovutte minusta, minä hajotan teidät muiden kansojen sekaan.
8Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho;
9Jos sitten kuitenkin käännytte minun puoleeni ja noudatatte käskyjäni ja elätte niiden mukaan, kokoan teidät jälleen yhteen, vaikka teidät olisi hajotettu maan ääriin, ja vien teidät paikkaan, jonka olen valinnut nimeni asuinsijaksi.'
9nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
10Muistathan, että he ovat sinun palvelijoitasi, sinun kansaasi, jonka sinä olet suurella voimallasi ja väkevällä kädelläsi vapauttanut.
10Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
11Herra, avaa korvasi kuulemaan minun rukoustani ja kaikkien niiden palvelijoidesi rukousta, jotka tahtovat pelätä ja kunnioittaa sinun nimeäsi! Täytä nyt pyyntöni ja anna kuninkaan osoittaa minulle suopeutta!"
11Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.