Pyhä Raamattu

Malagasy

Numbers

33

1Nämä ovat israelilaisten pysähdyspaikat siitä alkaen, kun he Mooseksen ja Aaronin johtamina lähtivät kaikkine joukkoineen Egyptistä.
1[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra] Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
2Joka kerta, kun israelilaiset lähtivät liikkeelle leiripaikastaan, Mooses kirjoitti Herran käskystä muistiin paikan nimen. Tässä on luettelo heidän leiripaikoistaan.
2Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:
3Israelilaiset lähtivät Ramseksesta ensimmäisen kuun viidentenätoista päivänä. He lähtivät pääsiäisen jälkeisenä päivänä Herran johdolla matkaan kaikkien egyptiläisten nähden.
3Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.
4Egyptiläiset olivat juuri hautaamassa esikoisiaan. Herra oli ne surmannut ja näin antanut tuomionsa kohdata egyptiläisten jumalia.
4Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah.
5Ramseksesta israelilaiset siirtyivät Sukkotiin ja leiriytyivät sinne.
5Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
6Sukkotin jälkeen he leiriytyivät Etamiin, autiomaan laitaan.
6Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.
7Lähdettyään Etamista he palasivat Pi-Hirotiin, joka on vastapäätä Baal-Sefonia, ja leiriytyivät Migdolin luo.
7Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola.
8Pi-Hirotin luota lähdettyään he kulkivat meren poikki autiomaahan, vaelsivat kolmen päivän matkan Etamin autiomaassa ja leiriytyivät Maraan.
8Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
9Marasta he siirtyivät Elimiin. Elimissä oli kaksitoista lähdettä ja seitsemänkymmentä palmua, ja he leiriytyivät sinne.
9Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
10Heidän seuraava leiripaikkansa Elimin jälkeen oli Kaislameren rannalla.
10Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.
11Kaislamereltä he siirtyivät Sinin autiomaahan ja leiriytyivät sinne.
11Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
12Sinin autiomaan jälkeen he leiriytyivät Dofkaan.
12Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
13Dofkan jälkeen he leiriytyivät Alusiin,
13Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
14Alusin jälkeen Refidimiin, mutta siellä ei ollut vettä kansan juotavaksi.
14Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.
15Refidimistä he menivät Siinain autiomaahan ja leiriytyivät sinne.
15Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.
16Siinain autiomaan jälkeen he leiriytyivät Kibrot-Taavaan,
16Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
17Kibrot-Taavan jälkeen Haserotiin,
17Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
18Haserotin jälkeen Ritmaan,
18Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
19Ritman jälkeen Rimmon-Peresiin,
19Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
20Rimmon-Peresin jälkeen Libnaan,
20Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
21Libnan jälkeen Rissaan,
21Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.
22Rissan jälkeen Kehelataan,
22Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.
23Kehelatan jälkeen Seferinvuoren luo.
23Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.
24Seferinvuoren luota he siirtyivät Haradaan ja leiriytyivät sinne.
24Ary. nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.
25Haradan jälkeen he leiriytyivät Makhelotiin,
25Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.
26Makhelotin jälkeen Tahatiin,
26Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.
27Tahatin jälkeen Terahiin,
27Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.
28Terahin jälkeen Mitkaan,
28Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.
29Mitkan jälkeen Hasmonaan,
29Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.
30Hasmonan jälkeen Moserotiin,
30Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.
31Moserotin jälkeen Bene- Jaakaniin,
31Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.
32Bene-Jaakanin jälkeen Hor-Gidgadiin,
32Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.
33Hor-Gidgadin jälkeen Jotbataan,
33Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.
34Jotbatan jälkeen Abronaan,
34Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.
35Abronan jälkeen Esjon-Geberiin,
35Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.
36Esjon-Geberin jälkeen Sinin autiomaahan Kadesiin.
36Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
37Kadesista he siirtyivät Horinvuoren luo Edomin maan rajalle ja leiriytyivät sinne.
37Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.
38Pappi Aaron nousi Herran käskystä Horinvuorelle, ja siellä hän kuoli. Tämä tapahtui neljäkymmentä vuotta israelilaisten Egyptistä lähdön jälkeen, viidennen kuun ensimmäisenä päivänä.
38Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy.
39Kuollessaan Horinvuorella Aaron oli sadankahdenkymmenenkolmen vuoden ikäinen.
39Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
40Kanaanilainen Aradin kuningas, joka asui Negevissä, Kanaaninmaan eteläosassa, sai tuolloin tietää, että israelilaiset olivat lähestymässä.
40Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.
41Horinvuoren luota lähdettyään israelilaiset kulkivat Salmonaan, jonne he leiriytyivät.
41Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.
42Salmonan jälkeen he leiriytyivät Punoniin,
42Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.
43sitten Obotiin
43Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.
44ja sitten Ijje-Abarimiin Moabin maan rajalle.
44Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.
45Ijje-Abarimin jälkeen he leiriytyivät Dibon-Gadiin,
45Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
46sitten Almon- Diblataimiin
46Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
47ja sitten Abarimin vuorille vastapäätä Neboa.
47Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima, tandrifin'i Nebo.
48Abarimin vuorilta lähdettyään israelilaiset siirtyivät Moabin tasangolle Jordanin varrelle vastapäätä Jerikoa ja leiriytyivät sinne.
48Ary nony niala tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
49Heidän leirialueensa ulottui Bet-Jesimotista Abel-Sittimiin.
49Ary nitoby teo amoron'i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
50Moabin tasangolla Jordanin varrella vastapäätä Jerikoa Herra sanoi Moosekselle:
50Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
51"Sano israelilaisille: Kun olette menneet Jordanin yli Kanaaninmaahan,
51Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tonga any amin'ny tany Kanana ianareo,
52hävittäkää tieltänne kaikki sen maan asukkaat. Hävittäkää heidän kiveen veistetyt epäjumalansa, samoin kaikki heidän valetut jumalankuvansa, ja tuhotkaa heidän uhrikukkulansa.
52dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
53Ottakaa maa haltuunne ja asettukaa sinne asumaan, sillä minä annan sen teidän omaksenne.
53dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
54Jakakaa maa suvuittain keskenänne ja toimittakaa jako arpomalla. Mitä suurempi suku on, sitä enemmän teidän on annettava sille maata, mitä pienempi se on, sitä vähemmän. Kunkin suvun tulee saada osuutensa sieltä mistä arpa määrää. Jakakaa maa heimoittain ja suvuittain.
54Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
55Mutta ellette hävitä maan asukkaita tieltänne, niin ne, joiden annatte jäädä jäljelle, pistävät teitä piikkeinä silmiin ja okaina kylkiin, ja he ahdistavat teitä siinä maassa, jossa asutte.
55Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany izay onenanareo izy;ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.
56Ja sen, minkä olin aikonut tehdä heille, minä teenkin teille."
56ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.