1Joosefista polveutuvan Gileadin, Makirin pojan, Manassen pojanpojan, suvun päämiehet tulivat Mooseksen ja Israelin sukukuntien johtomiesten eteen
1[Lalàna ny amin'ny hanambadian'ny zazavavy mandova zara-tany] Dia nanatona ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao hoe:
2ja sanoivat: "Sinä olet saanut Herralta käskyn jakaa maa arpomalla perintöosiksi israelilaisille. Herra on myös käskenyt sinua antamaan veljemme Selofhadin osuuden maasta hänen tyttärilleen.
2Hianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy.
3Mutta jos he menevät naimisiin johonkin muuhun heimoon kuuluvan israelilaisen miehen kanssa, heidän perintöosansa erotetaan meidän sukumme perintömaasta ja liitetään sen heimon perintöosaan, johon he siirtyvät. Se osa otetaan pois meille langenneesta osuudesta.
3Koa raha manambady ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana izany.
4Sitten kun Israelissa on riemuvuosi, tyttärien perintöosa liitetään pysyvästi sen heimon perintöosaan, johon he ovat siirtyneet, ja silloin heille annettu osuus on lopullisesti repäisty irti meidän sukumme maasta."
4Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.
5Herran käskystä Mooses sanoi israelilaisille: "Joosefin jälkeläisten heimo on oikeassa.
5Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin'ny firenena taranak'i Josefa.
6Näin Herra on säätänyt Selofhadin tyttärien asiasta: He voivat avioitua kenen kanssa haluavat, kunhan menevät naimisiin isänsä sukukuntaan kuuluvan miehen kanssa.
6Izao no teny izay andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.
7Israelilaisten maaomaisuus ei saa siirtyä heimolta toiselle, vaan kaikkien on pidettävä kiinni oman heimonsa perintömaista.
7Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely; fa samy ho eo amin'ny zara-tanin'ny razany avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.
8Sen tähden tulee jokaisen Israelin heimoihin kuuluvan tyttären, joka perii isänsä maat, mennä naimisiin isänsä sukukuntaan kuuluvan miehen kanssa. Näin isien omistamat maat kulkevat perintönä siten,
8Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny zara-tanin'ny razany avy.
9ettei mikään perintöosa siirry heimolta toiselle, vaan jokainen Israelin heimo saa pitää omat maansa itsellään."
9Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin'ny azy avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.
10Selofhadin tyttäret noudattivat Herran Moosekselle antamaa käskyä.
10Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny zanakavavin'i Zelofada,
11Mahla, Tirsa, Hogla, Milka ja Noa, Selofhadin tyttäret, menivät naimisiin setiensä poikien kanssa.
11ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin'i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin'ny rainy avy.
12Heidät otettiin vaimoiksi Joosefin pojan Manassen sukuun, ja näin heille tuleva osuus maasta pysyi heidän isänsä suvulla ja heimolla.
12Izay avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Manase, zanak'i Josefa, no novadin'ireo, ka dia nitoetra teo amin'ny firenen'ny mpianakavin'ny rainy ihany ny zara-taniny.Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
13Nämä olivat ne käskyt ja säädökset, jotka Herra käski Mooseksen ilmoittaa israelilaisille Moabin tasangolla Jordanin varrella vastapäätä Jerikoa.
13Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.