Pyhä Raamattu

Malagasy

Psalms

1

1Hyvä on sen osa, joka ei vaella jumalattomien tavoin, ei astu syntisten teille, ei istu pilkkaajien parissa
1[BOKY VOALOHANY][Ny tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
2vaan löytää ilonsa Herran laista, tutkii sitä päivin ja öin.
2Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
3Hän on kuin puu, vetten äärelle istutettu: se antaa hedelmän ajallaan, eivätkä sen lehdet lakastu. Hän menestyy kaikissa toimissaan.
3Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
4Niin ei käy jumalattomien. He ovat kuin akanat, joita tuuli ajaa.
4Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.
5Väärintekijät saavat kerran tuomionsa, syntisillä ei ole sijaa vanhurskaiden joukossa.
5Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina.Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.
6Herra ohjaa omiensa tietä, mutta jumalattomien tie päätyy tuhoon.
6Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.