Pyhä Raamattu

Malagasy

Psalms

112

1Halleluja! Hyvä on sen osa, joka pelkää Herraa ja rakastaa Herran käskyjä.
1[Salamo abidy. Ny toetry ny olona marina sy ny mahasambatra azy] Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
2Hänen jälkeläisistään tulee maan mahtavia, polvi polvelta saavat oikeamieliset siunauksen.
2Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
3Vauraus ja rikkaus täyttää hänen kotinsa. Hänen vanhurskautensa pysyy.
3Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
4Pimeydessäkin koittaa oikeamieliselle valo. Vanhurskas on anteeksiantava ja laupias.
4Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.[Na: Izy]
5Hyvin käy sen, joka on armelias ja lainaa omastaan muille, sen, joka aina toimii oikeuden mukaan.
5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
6Oikeamielinen ei koskaan horju, hänet muistetaan ikuisesti.
6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
7Ei hän pelkää pahoja viestejä vaan luottaa vakain mielin Herraan.
7Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.
8Hän on vahva ja rohkea, ei hän pelkää, ja pian hän katsoo voittajana ahdistajiinsa.
8Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.
9Hän antaa avokätisesti köyhille, hän toimii aina vanhurskaasti ja kulkee pystyssä päin.
9Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.
10Sen nähdessään jumalaton vimmastuu, kiristelee hampaitaan, pakahtuu raivoonsa. Tyhjiin raukeavat jumalattomien toiveet!
10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.