1Laulunjohtajalle. Daavidin psalmi. Mieletön se, joka ajattelee: "Ei Jumalaa ole." Turmeltuneita ovat ne, jotka näin ajattelevat. Kukaan heistä ei tee hyvää.
1[Ny faharatsian'ny olona, sy ny fanirian'ny sasany famonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
2Herra katsoo taivaasta maan ihmisiin, hän tutkii, onko kellään ymmärrystä, onko ketään, joka etsii Jumalaa.
2Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
3Kaikki ovat luopuneet hänestä -- kelvottomia kaikki tyynni! Ei ole ketään, joka tekee hyvää, ei yhtäkään.
3Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
4Eivätkö he mitään käsitä, nuo väärintekijät? He syövät minun kansaani, syövät sitä kuin leipää. He ovat unohtaneet Herran.
4Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
5Vielä he joutuvat kauhun valtaan, sillä Jumala on oikeamielisten puolella.
5Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.
6Te voitte tehdä tyhjäksi köyhän hankkeet, mutta Herra on hänen turvansa.
6Na dia foananareo aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
7Kunpa Siionista jo tulisi apu Israelille! Kun Herra kääntää kansansa kohtalon, silloin Jaakob riemuitsee, Israel iloitsee.
7Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.