1Daavidin psalmi. Herra, kuule rukoukseni, ota vastaan pyyntöni! Sinä uskollinen, sinä vanhurskas, vastaa minulle!
1[Faniriam-pamindram-po noho ny fahoriana mafy] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
2Älä vaadi palvelijaasi tuomiolle, sillä sinun edessäsi ei yksikään ole syytön.
2Ary aza dia mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
3Vihamieheni vainoaa henkeäni, hän polkee elämäni jalkoihinsa, hän suistaa minut pimeyteen, kauan sitten kuolleitten joukkoon.
3Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
4Voimani ovat lopussa, sydämeni jähmettyy.
4Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
5Minä muistelen menneitä aikoja, mietin kaikkia tekojasi, ajattelen sinun kättesi töitä.
5Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.
6Minä kohotan käteni sinun puoleesi, sieluni janoaa sinua kuin kuivunut maa. (sela)
6Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.
7Vastaa minulle, Herra! Vastaa pian, kauan en enää jaksa! Älä kätke minulta kasvojasi, muutoin olen haudan partaalla.
7Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
8Sinuun minä turvaan -- osoita laupeutesi jo aamuvarhaisesta! Sinun puoleesi minä käännyn -- opeta minulle tie, jota kulkea!
8Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
9Herra, pelasta minut vihollisteni käsistä! Sinun luonasi olen turvassa.
9Jehovah ô, vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
10Sinä olet minun Jumalani -- opeta minua täyttämään tahtosi! Sinun hyvä henkesi johdattakoon minua tasaista tietä.
10Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.
11Nimesi tähden, Herra, anna minun elää! Vapauta minut ahdingosta, sinä vanhurskas!
11Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana.Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.
12Tuhoa viholliseni, sinä uskollinen! Hävitä kaikki, jotka vainoavat henkeäni -- minä olen sinun palvelijasi.
12Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.