Pyhä Raamattu

Malagasy

Psalms

43

1Hanki minulle oikeutta, Jumala, aja asiaani jumalatonta kansaa vastaan. Pelasta minut pahojen ja petollisten kynsistä!
1Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.
2Sinä, Jumala, olet ainoa turvani. Miksi olet hylännyt minut? Miksi minun täytyy kulkea surusta synkkänä, kärsiä vihollisen sortoa?
2Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
3Lähetä valosi ja totuutesi! Ne johdattakoot minua, ne viekööt minut pyhälle vuorellesi, sinun asuntoihisi.
3Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao.
4Minä tahdon tulla sinun alttarisi eteen, sinun eteesi, Jumala, minun iloni! Siellä saan ylistää sinua lyyraa soittaen, Jumala, minun Jumalani!
4Dia hankany amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, dia any amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin'ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
5Miksi olet masentunut, sieluni, miksi olet niin levoton? Odota Jumalaa! Vielä saan kiittää häntä, Jumalaani, auttajaani.
5Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.