1Laulunjohtajalle. Huilujen säestyksellä. Daavidin psalmi. (H5:2)Herra, kuule minua, huomaa huokaukseni!
1[Salamo hatao amin'ny maraina, milaza ny amin'ny olona mahazo manatona an'Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
2(H5:3)Kuninkaani ja Jumalani, kuule, kun huudan sinulta apua. Sinua minä rukoilen.
2Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
3(H5:4)Herra, jo aamulla kuulet ääneni, aamun hetkellä tuon sinulle pyyntöni ja odotan vastaustasi.
3Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako]
4(H5:5)Jumala, sinä et siedä vääryyttä. Pahat eivät saa sinulta suojaa,
4Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
5(H5:6)rehentelijät eivät saa astua eteesi. Sinä vihaat väärintekijöitä,
5Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
6(H5:7)valheenpuhujat sinä tuhoat, murhamiehet ja petturit sinä kiroat.
6Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.
7(H5:8)Mutta minä saan tulla sinun temppeliisi suuren hyvyytesi tähden. Minä saan kumartaa pyhäkköösi päin, osoittaa sinulle kunnioitusta.
7Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.
8(H5:9)Herra, johdata minua tahtosi tietä, tasoita minulle polku vihamiesteni nähden!
8Jehovah ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
9(H5:10)Heidän sanaansa ei voi luottaa, he hautovat tuhoa sydämessään. Heidän puheissaan väijyy avoin hauta, heidän kielensä on liukas ja pettävä.
9Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]
10(H5:11)Langeta heille tuomiosi, Jumala, anna heidän aikeittensa raueta! Karkota heidät luotasi, heidän rikoksensa ovat lukemattomat. Sinua vastaan he ovat nousseet.
10Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.
11(H5:12)Iloitkoot kaikki, jotka sinuun turvaavat, loppumaton olkoon heidän riemunsa! Sinä suojelet niitä, jotka rakastavat sinua, sinä olet heidän ilonsa lähde.
11Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
12(H5:13)Sinä, Herra, annat siunauksesi vanhurskaalle, sinun hyvyytesi suojaa häntä kuin kilpi.
12Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.