Pyhä Raamattu

Malagasy

Psalms

94

1Herra, koston Jumala, koston Jumala, saavu jo!
1[Fitarainana amin'Andriamanitra noho ny fampahoriana ataon'ny lozabe] Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
2Nouse, maailman tuomari, maksa ylvästelijöille heidän tekojensa mukaan.
2Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
3Kuinka kauan, Herra, annat jumalattomien pitää iloaan?
3Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
4Kuinka kauan he saavat rehennellä, syytää suustaan julkeita sanoja?
4Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
5Herra, he sortavat sinun kansaasi, polkevat alleen sinun omiasi.
5Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
6He murhaavat leskiä ja orpolapsia, surmaavat maassaan asuvia muukalaisia
6Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
7ja sanovat: "Ei Herra tätä näe, ei Jaakobin Jumala tätä huomaa."
7Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.
8Milloin te mielettömät tulette järkiinne? Te tyhmistä tyhmimmät! Miettikää vähän.
8Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
9Hän, joka on luonut korvan -- hänkö ei kuule? Hän, joka on tehnyt silmän -- hänkö ei näe?
9Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?[Heb. Mpamboly]
10Hän, joka opettaa kaikkia ihmisiä, hän, joka ohjaa maailman kansoja -- hänkö ei rankaise?
10Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
11Herra tuntee ihmisten suunnitelmat: ne raukeavat tyhjiin.
11Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
12Hyvä on sen osa, jota sinä, Herra, kasvatat ja jolle sinä opetat lakiasi.
12Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,
13Pahana päivänä sinä varjelet häntä, kun hauta jo aukeaa sille, joka rikkoo lakiasi.
13Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.
14Herra ei hylkää omiaan, ei hän jätä kansaansa.
14Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
15Oikeus tulee jälleen voimaan, rehellisyys palaa ihmisten sydämiin.
15Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
16Kuka asettuu rinnalleni lainrikkojia vastaan? Kuka puolustaa minua pahantekijöitä vastaan?
16Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
17Ellei Herra olisi tullut avukseni, asuisin jo hiljaisuuden maassa.
17Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.
18Aina kun olin vähällä kaatua, sinun armosi, Herra, oli minun tukenani.
18Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
19Kun huolet painavat mieltäni, saan sinulta lohdun ja ilon.
19Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
20Sinäkö tukisit turmeltuneita tuomareita, jotka lain varjolla tekevät konnantöitään!
20Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? [Na: Izay misaina fampahoriana araka ny lalàny]
21He vehkeilevät viatonta vastaan ja tuomitsevat syyttömän kuolemaan.
21Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
22Mutta Herra on minun linnani, Jumala on turvakallioni.
22Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.
23Hän kostaa heille heidän rikoksensa, lyö heitä heidän pahuutensa tähden. Herra, meidän Jumalamme, tuhoaa heidät.
23Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.