Pyhä Raamattu

Malagasy

Psalms

96

1Laulakaa Herralle uusi laulu! Laula Herralle, maa, laulakaa Herralle, maan asukkaat!
1[Hira fifaliana noho ny hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra.
2Laulakaa Herralle, ylistäkää hänen nimeään! Kertokaa päivästä päivään ilosanomaa hänen avustaan.
2Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
3Julistakaa hänen kunniaansa, ilmoittakaa hänen ihmetekojaan kaikille kansoille.
3Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
4Suuri on Herra, ylistäkää häntä! Pelätkää häntä, hän on jumalista korkein.
4Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra.
5Eivät ole jumalia toisten kansojen jumalat, mutta Herra on taivaitten luoja.
5Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
6Hänen on loisto ja hänen on kunnia, hänen pyhäkössään on voima ja kirkkaus.
6Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina.
7Maan kaikki kansat, tunnustakaa Herra, tunnustakaa Herran kunnia ja voima,
7Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
8tunnustakaa hänen nimensä kunnia! Tuokaa hänelle uhrilahjat, astukaa hänen pyhäkkönsä pihaan,
8Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
9kumartukaa hänen pyhän kirkkautensa eteen! Vaviskoon koko maa ja pelätköön häntä.
9Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
10Julistakaa kaikkien kansojen kuulla: Herra on kuningas! Hän loi maan, joka pysyy eikä horju. Oikeutensa mukaan hän tuomitsee kansoja.
10Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.
11Iloitkoon taivas, riemuitkoon maa! Pauhatkoon meri kaikkineen,
11Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
12juhlikoot maa ja sen luodut, humiskoot ilosta metsien puut
12Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'alaEo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.
13Herran edessä, sillä hän tulee! Hän tulee tuomaan oikeutta, hallitsemaan vanhurskaasti maata, uskollisesti sen kansoja.
13Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.