1Neito: Olisitpa oma veljeni, äitini imettämä! Saisin suudella sinua kun kohtaamme, eikä kukaan moittisi minua.
1Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an'ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon'olona notevatevaina aho.
2Saisin ottaa sinut mukaani, saisin viedä sinut äitini taloon. Siellä sinä opastaisit minua ja minä antaisin juodaksesi maustettua viiniä ja granaattiomenoitteni mehua.
2Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon'ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin'ny ranon'ampongaben-danitro ianao.
3Hänen vasen kätensä on pääni alla, hänen oikea kätensä hyväilee minua.
3Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.
4Minä vannotan teitä, Jerusalemin tytöt: älkää häiritkö rakkauttamme, älkää häiritkö, ennen kuin itse haluamme herätä!
4Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
5Muut: Kuka tuolta tulee? Kuka saapuu autiolta kedolta rakastettuunsa nojaten? Neito: Omenapuun alla minä herätin rakkautesi, siellä, missä sinä sait alkusi, siellä, missä äitisi alkoi sinua odottaa.
5[Ny nandehanany ho any amin'ny tany nihavian'ny ampakarina] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin'ny malalany? Teo ambanin'iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian'ilay niteraka anao.
6Paina minut sinetiksi sydäntäsi vasten, pane sinetiksi ranteesi nauhaan. Rakkaus on väkevä kuin kuolema, kiivas ja kyltymätön kuin tuonela. Sen hehku on tulen hehkua, sen liekki on Herran liekki.
6Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.[Heb. Sheola]
7Suuret vedet eivät voi sitä sammuttaa, virran tulva ei vie sitä mukanaan. Jos joku tarjoaisi talot ja tavarat rakkauden hinnaksi, hän saisi vain toisten pilkan.
7Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.
8Muut: Meillä on pikkusisar, jolla ei vielä ole rintoja. Mitä me teemme sisarellemme, kun häntä aletaan kysellä?
8Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay; Ahoana no hataonay amin'ny zandrivavinay, raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady?[Na: isika][Na: hataontsika][Na: zandrivavintsika]
9Jos hän olisi muuri, hopeasakaroin sen varustaisimme! Jos hän olisi ovi, vahvistaisimme sen setrilaudoin.
9Raha manda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.[Na: hananganantsika][Na: hotampenantsika]
10Neito: Muuri minä olenkin, ja rintani ovat kuin tornit! Mutta kun rakastettuni tulee, olen antautumaan valmis.
10Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
11Mies: Salomolla oli viinitarha Baal-Hamonissa. Sen hedelmistä maksaisi kuka vain tuhat sekeliä hopeaa, ja siksi kuningas pani sinne vartijat.
11Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra.
12Minun yksin on oma viinitarhani. Pidä tuhantesi, Salomo! Vartijoillekin anna parisataa!
12Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an'ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an'izay mpiandry voly.
13Mies: Rakkaani, puutarhan kukka, kaikki odottavat kutsuasi. Kutsu minut!
13Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.[Anaram-biby haingan-tongotra]
14Neito: Tule, rakkaani! Riennä kuin gaselli, kuin nuori peura tuoksuville vuorille!
14Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.[Anaram-biby haingan-tongotra]