1Il y avait dans l'Eglise d'Antioche des prophètes et des docteurs: Barnabas, Siméon appelé Niger, Lucius de Cyrène, Manahen, qui avait été élevé avec Hérode le tétrarque, et Saul.
1[Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
2Pendant qu'ils servaient le Seigneur dans leur ministère et qu'ils jeûnaient, le Saint-Esprit dit: Mettez-moi à part Barnabas et Saul pour l'oeuvre à laquelle je les ai appelés.
2Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3Alors, après avoir jeûné et prié, ils leur imposèrent les mains, et les laissèrent partir.
3Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
4Barnabas et Saul, envoyés par le Saint-Esprit, descendirent à Séleucie, et de là ils s'embarquèrent pour l'île de Chypre.
4Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
5Arrivés à Salamine, ils annoncèrent la parole de Dieu dans les synagogues des Juifs. Ils avaient Jean pour aide.
5Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
6Ayant ensuite traversé toute l'île jusqu'à Paphos, ils trouvèrent un certain magicien, faux prophète juif, nommé Bar-Jésus,
6Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
7qui était avec le proconsul Sergius Paulus, homme intelligent. Ce dernier fit appeler Barnabas et Saul, et manifesta le désir d'entendre la parole de Dieu.
7izay nitoetra tao amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra.
8Mais Elymas, le magicien, -car c'est ce que signifie son nom, -leur faisait opposition, cherchant à détourner de la foi le proconsul.
8Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
9Alors Saul, appelé aussi Paul, rempli du Saint-Esprit, fixa les regards sur lui,
9Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
10et dit: Homme plein de toute espèce de ruse et de fraude, fils du diable, ennemi de toute justice, ne cesseras-tu point de pervertir les voies droites du Seigneur?
10ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
11Maintenant voici, la main du Seigneur est sur toi, tu seras aveugle, et pour un temps tu ne verras pas le soleil. Aussitôt l'obscurité et les ténèbres tombèrent sur lui, et il cherchait, en tâtonnant, des personnes pour le guider.
11Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
12Alors le proconsul, voyant ce qui était arrivé, crut, étant frappé de la doctrine du Seigneur.
12Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.
13Paul et ses compagnons, s'étant embarqués à Paphos, se rendirent à Perge en Pamphylie. Jean se sépara d'eux, et retourna à Jérusalem.
13Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
14De Perge ils poursuivirent leur route, et arrivèrent à Antioche de Pisidie. Etant entrés dans la synagogue le jour du sabbat, ils s'assirent.
14Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo.
15Après la lecture de la loi et des prophètes, les chefs de la synagogue leur envoyèrent dire: Hommes frères, si vous avez quelque exhortation à adresser au peuple, parlez.
15Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy.
16Paul se leva, et, ayant fait signe de la main, il dit: Hommes Israélites, et vous qui craignez Dieu, écoutez!
16Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa;
17Le Dieu de ce peuple d'Israël a choisi nos pères. Il mit ce peuple en honneur pendant son séjour au pays d'Egypte, et il l'en fit sortir par son bras puissant.
17Andriamanitr'izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
18Il les nourrit près de quarante ans dans le désert;
18Ary Izy nandefitra tamin'ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona. [ Na: (nitondra azy tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany; izahao Deo. 1.31)]
19et, ayant détruit sept nations au pays de Canaan, il leur en accorda le territoire comme propriété.
19Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin'ireny izy
20Après cela, durant quatre cent cinquante ans environ, il leur donna des juges, jusqu'au prophète Samuel.
20tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin'i Samoela mpaminany.
21Ils demandèrent alors un roi. Et Dieu leur donna, pendant quarante ans, Saül, fils de Kis, de la tribu de Benjamin;
21Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina.
22puis, l'ayant rejeté, il leur suscita pour roi David, auquel il a rendu ce témoignage: J'ai trouvé David, fils d'Isaï, homme selon mon coeur, qui accomplira toutes mes volontés.
22Ary rehefa nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20).
23C'est de la postérité de David que Dieu, selon sa promesse, a suscité à Israël un Sauveur, qui est Jésus.
23Avy tamin'ny taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
24Avant sa venue, Jean avait prêché le baptême de repentance à tout le peuple d'Israël.
24rehefa notorin'i Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
25Et lorsque Jean achevait sa course, il disait: Je ne suis pas celui que vous pensez; mais voici, après moi vient celui des pieds duquel je ne suis pas digne de délier les souliers.
25Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
26Hommes frères, fils de la race d'Abraham, et vous qui craignez Dieu, c'est à vous que cette parole de salut a été envoyée.
26Ry rahalahy, taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao.
27Car les habitants de Jérusalem et leurs chefs ont méconnu Jésus, et, en le condamnant, ils ont accompli les paroles des prophètes qui se lisent chaque sabbat.
27Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin'ny nanamelohany Azy.
28Quoiqu'ils ne trouvassent en lui rien qui fût digne de mort, ils ont demandé à Pilate de le faire mourir.
28Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
29Et, après qu'ils eurent accompli tout ce qui est écrit de lui, ils le descendirent de la croix et le déposèrent dans un sépulcre.
29Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
30Mais Dieu l'a ressuscité des morts.
30Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin'ny maty.
31Il est apparu pendant plusieurs jours à ceux qui étaient montés avec lui de la Galilée à Jérusalem, et qui sont maintenant ses témoins auprès du peuple.
31Ary Izy niseho andro maro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny olona ankehitriny.
32Et nous, nous vous annonçons cette bonne nouvelle que la promesse faite à nos pères,
32Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana,
33Dieu l'a accomplie pour nous leurs enfants, en ressuscitant Jésus, selon ce qui est écrit dans le Psaume deuxième: Tu es mon Fils, Je t'ai engendré aujourd'hui.
33dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7).
34Qu'il l'ait ressuscité des morts, de telle sorte qu'il ne retournera pas à la corruption, c'est ce qu'il a déclaré, en disant: Je vous donnerai Les grâces saintes promises à David, ces grâces qui sont assurées.
34Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3).
35C'est pourquoi il dit encore ailleurs: Tu ne permettras pas que ton Saint voie la corruption.
35Fa hoy Izy ao amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao (Sal. 16. 10).
36Or, David, après avoir en son temps servi au dessein de Dieu, est mort, a été réuni à ses pères, et a vu la corruption.
36Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò; [Na. Fa Davida, rehefa nanompo ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry araka ny sitrapon'Andriamanitra]
37Mais celui que Dieu a ressuscité n'a pas vu la corruption.
37fa Izay natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
38Sachez donc, hommes frères, que c'est par lui que le pardon des péchés vous est annoncé,
38Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
39et que quiconque croit est justifié par lui de toutes les choses dont vous ne pouviez être justifiés par la loi de Moïse.
39ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
40Ainsi, prenez garde qu'il ne vous arrive ce qui est dit dans les prophètes:
40Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe:
41Voyez, contempteurs, Soyez étonnés et disparaissez; Car je vais faire en vos jours une oeuvre, Une oeuvre que vous ne croiriez pas si on vous la racontait.
41Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5)
42Lorsqu'ils sortirent, on les pria de parler le sabbat suivant sur les mêmes choses;
42Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka.
43et, à l'issue de l'assemblée, beaucoup de Juifs et de prosélytes pieux suivirent Paul et Barnabas, qui s'entretinrent avec eux, et les exhortèrent à rester attachés à la grâce de Dieu.
43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
44Le sabbat suivant, presque toute la ville se rassembla pour entendre la parole de Dieu.
44Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra.
45Les Juifs, voyant la foule, furent remplis de jalousie, et ils s'opposaient à ce que disait Paul, en le contredisant et en l'injuriant.
45Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy. [ Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3]
46Paul et Barnabas leur dirent avec assurance: C'est à vous premièrement que la parole de Dieu devait être annoncée; mais, puisque vous la repoussez, et que vous vous jugez vous-mêmes indignes de la vie éternelle, voici, nous nous tournons vers les païens.
46Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;
47Car ainsi nous l'a ordonné le Seigneur: Je t'ai établi pour être la lumière des nations, Pour porter le salut jusqu'aux extrémités de la terre.
47fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6).
48Les païens se réjouissaient en entendant cela, ils glorifiaient la parole du Seigneur, et tous ceux qui étaient destinés à la vie éternelle crurent.
48Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. [ Na: ny tenin'ny Tompo]
49La parole du Seigneur se répandait dans tout le pays.
49Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.
50Mais les Juifs excitèrent les femmes dévotes de distinction et les principaux de la ville; ils provoquèrent une persécution contre Paul et Barnabas, et ils les chassèrent de leur territoire.
50Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.
51Paul et Barnabas secouèrent contre eux la poussière de leurs pieds, et allèrent à Icone,
51Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
52tandis que les disciples étaient remplis de joie et du Saint-Esprit.
52Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.