1Voici la postérité des fils de Noé, Sem, Cham et Japhet. Il leur naquit des fils après le déluge.
1[Ny taranak'izy telo lahy zanak'i Noa, sy ny nielezany] Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano.
2Les fils de Japhet furent: Gomer, Magog, Madaï, Javan, Tubal, Méschec et Tiras.
2Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
3Les fils de Gomer: Aschkenaz, Riphat et Togarma.
3Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
4Les fils de Javan: Elischa, Tarsis, Kittim et Dodanim.
4Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
5C'est par eux qu'ont été peuplées les îles des nations selon leurs terres, selon la langue de chacun, selon leurs familles, selon leurs nations.
5Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy.
6Les fils de Cham furent: Cusch, Mitsraïm, Puth et Canaan.
6Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
7Les fils de Cusch: Saba, Havila, Sabta, Raema et Sabteca. Les fils de Raema: Séba et Dedan.
7Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
8Cusch engendra aussi Nimrod; c'est lui qui commença à être puissant sur la terre.
8Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany.
9Il fut un vaillant chasseur devant l'Eternel; c'est pourquoi l'on dit: Comme Nimrod, vaillant chasseur devant l'Eternel.
9Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah.
10Il régna d'abord sur Babel, Erec, Accad et Calné, au pays de Schinear.
10Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara.
11De ce pays-là sortit Assur; il bâtit Ninive, Rehoboth Hir, Calach,
11Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala
12et Résen entre Ninive et Calach; c'est la grande ville.
12ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
13Mitsraïm engendra les Ludim, les Anamim, les Lehabim, les Naphtuhim,
13Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
14les Patrusim, les Casluhim, d'où sont sortis les Philistins, et les Caphtorim.
14sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.
15Canaan engendra Sidon, son premier-né, et Heth;
15Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,
16et les Jébusiens, les Amoréens, les Guirgasiens,
16ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita
17les Héviens, les Arkiens, les Siniens,
17sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
18les Arvadiens, les Tsemariens, les Hamathiens. Ensuite, les familles des Cananéens se dispersèrent.
18sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.
19Les limites des Cananéens allèrent depuis Sidon, du côté de Guérar, jusqu'à Gaza, et du côté de Sodome, de Gomorrhe, d'Adma et de Tseboïm, jusqu'à Léscha.
19Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
20Ce sont là les fils de Cham, selon leurs familles, selon leurs langues, selon leurs pays, selon leurs nations.
20Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.
21Il naquit aussi des fils à Sem, père de tous les fils d'Héber, et frère de Japhet l'aîné.
21Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.
22Les fils de Sem furent: Elam, Assur, Arpacschad, Lud et Aram.
22Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
23Les fils d'Aram: Uts, Hul, Guéter et Masch.
23Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
24Arpacschad engendra Schélach; et Schélach engendra Héber.
24Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
25Il naquit à Héber deux fils: le nom de l'un était Péleg, parce que de son temps la terre fut partagée, et le nom de son frère était Jokthan.
25Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.
26Jokthan engendra Almodad, Schéleph, Hatsarmaveth, Jérach,
26Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
27Hadoram, Uzal, Dikla,
27sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
28Obal, Abimaël, Séba,
28sy Obala sy Abimaela sy Sheba
29Ophir, Havila et Jobab. Tous ceux-là furent fils de Jokthan.
29sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
30Ils habitèrent depuis Méscha, du côté de Sephar, jusqu'à la montagne de l'orient.
30Ary ny fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
31Ce sont là les fils de Sem, selon leurs familles, selon leurs langues, selon leurs pays, selon leurs nations.
31Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny.Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.
32Telles sont les familles des fils de Noé, selon leurs générations, selon leurs nations. Et c'est d'eux que sont sorties les nations qui se sont répandues sur la terre après le déluge.
32Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.