1Abram remonta d'Egypte vers le midi, lui, sa femme, et tout ce qui lui appartenait, et Lot avec lui.
1[Ny nisarahan'i Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
2Abram était très riche en troupeaux, en argent et en or.
2Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena.
3Il dirigea ses marches du midi jusqu'à Béthel, jusqu'au lieu où était sa tente au commencement, entre Béthel et Aï,
3Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay,
4au lieu où était l'autel qu'il avait fait précédemment. Et là, Abram invoqua le nom de l'Eternel.
4dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama.
5Lot, qui voyageait avec Abram, avait aussi des brebis, des boeufs et des tentes.
5Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6Et la contrée était insuffisante pour qu'ils demeurassent ensemble, car leurs biens étaient si considérables qu'ils ne pouvaient demeurer ensemble.
6Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
7Il y eut querelle entre les bergers des troupeaux d'Abram et les bergers des troupeaux de Lot. Les Cananéens et les Phérésiens habitaient alors dans le pays.
7Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
8Abram dit à Lot: Qu'il n'y ait point, je te prie, de dispute entre moi et toi, ni entre mes bergers et tes bergers; car nous sommes frères.
8Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
9Tout le pays n'est-il pas devant toi? Sépare-toi donc de moi: si tu vas à gauche, j'irai à droite; si tu vas à droite, j'irai à gauche.
9Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
10Lot leva les yeux, et vit toute la plaine du Jourdain, qui était entièrement arrosée. Avant que l'Eternel eût détruit Sodome et Gomorrhe, c'était, jusqu'à Tsoar, comme un jardin de l'Eternel, comme le pays d'Egypte.
10Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
11Lot choisit pour lui toute la plaine du Jourdain, et il s'avança vers l'orient. C'est ainsi qu'ils se séparèrent l'un de l'autre.
11Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
12Abram habita dans le pays de Canaan; et Lot habita dans les villes de la plaine, et dressa ses tentes jusqu'à Sodome.
12Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13Les gens de Sodome étaient méchants, et de grands pécheurs contre l'Eternel.
13Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
14L'Eternel dit à Abram, après que Lot se fut séparé de lui: Lève les yeux, et, du lieu où tu es, regarde vers le nord et le midi, vers l'orient et l'occident;
14Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
15car tout le pays que tu vois, je le donnerai à toi et à ta postérité pour toujours.
15fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16Je rendrai ta postérité comme la poussière de la terre, en sorte que, si quelqu'un peut compter la poussière de la terre, ta postérité aussi sera comptée.
16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
17Lève-toi, parcours le pays dans sa longueur et dans sa largeur; car je te le donnerai.
17Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy.Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
18Abram leva ses tentes, et vint habiter parmi les chênes de Mamré, qui sont près d'Hébron. Et il bâtit là un autel à l'Eternel.
18Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.