1Tsophar de Naama prit la parole et dit:
1[Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2Mes pensées me forcent à répondre, Et mon agitation ne peut se contenir.
2Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]
3J'ai entendu des reproches qui m'outragent; Le souffle de mon intelligence donnera la réplique.
3Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
4Ne sais-tu pas que, de tout temps, Depuis que l'homme a été placé sur la terre,
4Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,
5Le triomphe des méchants a été court, Et la joie de l'impie momentanée?
5Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44
6Quand il s'élèverait jusqu'aux cieux, Et que sa tête toucherait aux nues,
6Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,
7Il périra pour toujours comme son ordure, Et ceux qui le voyaient diront: Où est-il?
7Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy]
8Il s'envolera comme un songe, et on ne le trouvera plus; Il disparaîtra comme une vision nocturne;
8Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.
9L'oeil qui le regardait ne le regardera plus, Le lieu qu'il habitait ne l'apercevra plus.
9Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
10Ses fils seront assaillis par les pauvres, Et ses mains restitueront ce qu'il a pris par violence.
10Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
11La vigueur de la jeunesse, qui remplissait ses membres, Aura sa couche avec lui dans la poussière.
11Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra]
12Le mal était doux à sa bouche, Il le cachait sous sa langue,
12Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
13Il le savourait sans l'abandonner, Il le retenait au milieu de son palais;
13Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
14Mais sa nourriture se transformera dans ses entrailles, Elle deviendra dans son corps un venin d'aspic.
14Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
15Il a englouti des richesses, il les vomira; Dieu les chassera de son ventre.
15Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16Il a sucé du venin d'aspic, La langue de la vipère le tuera.
16Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
17Il ne reposera plus ses regards sur les ruisseaux, Sur les torrents, sur les fleuves de miel et de lait.
17Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18Il rendra ce qu'il a gagné, et n'en profitera plus; Il restituera tout ce qu'il a pris, et n'en jouira plus.
18Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
19Car il a opprimé, délaissé les pauvres, Il a ruiné des maisons et ne les a pas rétablies.
19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20Son avidité n'a point connu de bornes; Mais il ne sauvera pas ce qu'il avait de plus cher.
20Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
21Rien n'échappait à sa voracité; Mais son bien-être ne durera pas.
21Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22Au milieu de l'abondance il sera dans la détresse; La main de tous les misérables se lèvera sur lui.
22Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
23Et voici, pour lui remplir le ventre, Dieu enverra sur lui le feu de sa colère, Et le rassasiera par une pluie de traits.
23Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24S'il échappe aux armes de fer, L'arc d'airain le transpercera.
24Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25Il arrache de son corps le trait, Qui étincelle au sortir de ses entrailles, Et il est en proie aux terreurs de la mort.
25Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
26Toutes les calamités sont réservées à ses trésors; Il sera consumé par un feu que n'allumera point l'homme, Et ce qui restera dans sa tente en deviendra la pâture.
26Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
27Les cieux dévoileront son iniquité, Et la terre s'élèvera contre lui.
27Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
28Les revenus de sa maison seront emportés, Ils disparaîtront au jour de la colère de Dieu.
28Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
29Telle est la part que Dieu réserve au méchant, Tel est l'héritage que Dieu lui destine.
29Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.