French 1910

Malagasy

Job

22

1Eliphaz de Théman prit la parole et dit:
1[Ny teny fanintelony nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2Un homme peut-il être utile à Dieu? Non; le sage n'est utile qu'à lui-même.
2Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
3Si tu es juste, est-ce à l'avantage du Tout-Puissant? Si tu es intègre dans tes voies, qu'y gagne-t-il?
3Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
4Est-ce par crainte de toi qu'il te châtie, Qu'il entre en jugement avec toi?
4Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
5Ta méchanceté n'est-elle pas grande? Tes iniquités ne sont-elles pas infinies?
5Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
6Tu enlevais sans motif des gages à tes frères, Tu privais de leurs vêtements ceux qui étaient nus;
6Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra.[Heb. mitanjaka]
7Tu ne donnais point d'eau à l'homme altéré, Tu refusais du pain à l'homme affamé.
7Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
8Le pays était au plus fort, Et le puissant s'y établissait.
8Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
9Tu renvoyais les veuves à vide; Les bras des orphelins étaient brisés.
9Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.
10C'est pour cela que tu es entouré de pièges, Et que la terreur t'a saisi tout à coup.
10Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
11Ne vois-tu donc pas ces ténèbres, Ces eaux débordées qui t'envahissent?
11Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
12Dieu n'est-il pas en haut dans les cieux? Regarde le sommet des étoiles, comme il est élevé!
12Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
13Et tu dis: Qu'est-ce que Dieu sait? Peut-il juger à travers l'obscurité?
13Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
14Les nuées l'enveloppent, et il ne voit rien; Il ne parcourt que la voûte des cieux.
14Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
15Eh quoi! tu voudrais prendre l'ancienne route Qu'ont suivie les hommes d'iniquité?
15Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.
16Ils ont été emportés avant le temps, Ils ont eu la durée d'un torrent qui s'écoule.
16Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,
17Ils disaient à Dieu: Retire-toi de nous; Que peut faire pour nous le Tout-Puissant?
17Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay? [Heb. azy]
18Dieu cependant avait rempli de biens leurs maisons. -Loin de moi le conseil des méchants!
18Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
19Les justes, témoins de leur chute, se réjouiront, Et l'innocent se moquera d'eux:
19Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
20Voilà nos adversaires anéantis! Voilà leurs richesses dévorées par le feu!
20Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.
21Attache-toi donc à Dieu, et tu auras la paix; Tu jouiras ainsi du bonheur.
21Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.
22Reçois de sa bouche l'instruction, Et mets dans ton coeur ses paroles.
22Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23Tu seras rétabli, si tu reviens au Tout-Puissant, Si tu éloignes l'iniquité de ta tente.
23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
24Jette l'or dans la poussière, L'or d'Ophir parmi les cailloux des torrents;
24Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
25Et le Tout-Puissant sera ton or, Ton argent, ta richesse.
25Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana]
26Alors tu feras du Tout-Puissant tes délices, Tu élèveras vers Dieu ta face;
26Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
27Tu le prieras, et il t'exaucera, Et tu accompliras tes voeux.
27Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
28A tes résolutions répondra le succès; Sur tes sentiers brillera la lumière.
28Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.
29Vienne l'humiliation, tu prieras pour ton relèvement: Dieu secourt celui dont le regard est abattu.
29Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
30Il délivrera même le coupable, Qui devra son salut à la pureté de tes mains.
30Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.