1Bildad de Schuach prit la parole et dit:
1[Ny teny voalohany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2Jusqu'à quand veux-tu discourir de la sorte, Et les paroles de ta bouche seront-elles un vent impétueux?
2Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
3Dieu renverserait-il le droit? Le Tout-Puissant renverserait-il la justice?
3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
4Si tes fils ont péché contre lui, Il les a livrés à leur péché.
4Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
5Mais toi, si tu as recours à Dieu, Si tu implores le Tout-Puissant;
5Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.
6Si tu es juste et droit, Certainement alors il veillera sur toi, Et rendra le bonheur à ton innocente demeure;
6Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
7Ton ancienne prospérité semblera peu de chose, Celle qui t'est réservée sera bien plus grande.
7Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
8Interroge ceux des générations passées, Sois attentif à l'expérience de leurs pères.
8Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany
9Car nous sommes d'hier, et nous ne savons rien, Nos jours sur la terre ne sont qu'une ombre.
9(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
10Ils t'instruiront, ils te parleront, Ils tireront de leur coeur ces sentences:
10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
11Le jonc croît-il sans marais? Le roseau croît-il sans humidité?
11Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
12Encore vert et sans qu'on le coupe, Il sèche plus vite que toutes les herbes.
12Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
13Ainsi arrive-t-il à tous ceux qui oublient Dieu, Et l'espérance de l'impie périra.
13Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,[Na: ratsy fanahy]
14Son assurance est brisée, Son soutien est une toile d'araignée.
14Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
15Il s'appuie sur sa maison, et elle n'est pas ferme; Il s'y cramponne, et elle ne résiste pas.
15Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
16Dans toute sa vigueur, en plein soleil, Il étend ses rameaux sur son jardin,
16Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;
17Il entrelace ses racines parmi les pierres, Il pénètre jusque dans les murailles;
17Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
18L'arrache-t-on du lieu qu'il occupe, Ce lieu le renie: Je ne t'ai point connu!
18Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
19Telles sont les délices que ses voies lui procurent. Puis sur le même sol d'autres s'élèvent après lui.
19Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.
20Non, Dieu ne rejette point l'homme intègre, Et il ne protège point les méchants.
20Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
21Il remplira ta bouche de cris de joie, Et tes lèvres de chants d'allégresse.
21Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
22Tes ennemis seront couverts de honte; La tente des méchants disparaîtra.
22Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.