French 1910

Malagasy

John

6

1Après cela, Jésus s'en alla de l'autre côté de la mer de Galilée, de Tibériade.
1Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany.
2Une grande foule le suivait, parce qu'elle voyait les miracles qu'il opérait sur les malades.
2Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary.
3Jésus monta sur la montagne, et là il s'assit avec ses disciples.
3Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.
4Or, la Pâque était proche, la fête des Juifs.
4Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy.
5Ayant levé les yeux, et voyant qu'une grande foule venait à lui, Jésus dit à Philippe: Où achèterons-nous des pains, pour que ces gens aient à manger?
5Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
6Il disait cela pour l'éprouver, car il savait ce qu'il allait faire.
6Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
7Philippe lui répondit: Les pains qu'on aurait pour deux cents deniers ne suffiraient pas pour que chacun en reçût un peu.
7Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
8Un de ses disciples, André, frère de Simon Pierre, lui dit:
8Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
9Il y a ici un jeune garçon qui a cinq pains d'orge et deux poissons; mais qu'est-ce que cela pour tant de gens?
9Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao?
10Jésus dit: Faites-les asseoir. Il y avait dans ce lieu beaucoup d'herbe. Ils s'assirent donc, au nombre d'environ cinq mille hommes.
10Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
11Jésus prit les pains, rendit grâces, et les distribua à ceux qui étaient assis; il leur donna de même des poissons, autant qu'ils en voulurent.
11Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
12Lorsqu'ils furent rassasiés, il dit à ses disciples: Ramassez les morceaux qui restent, afin que rien ne se perde.
12Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
13Ils les ramassèrent donc, et ils remplirent douze paniers avec les morceaux qui restèrent des cinq pains d'orge, après que tous eurent mangé.
13Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.
14Ces gens, ayant vu le miracle que Jésus avait fait, disaient: Celui-ci est vraiment le prophète qui doit venir dans le monde.
14Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao.
15Et Jésus, sachant qu'ils allaient venir l'enlever pour le faire roi, se retira de nouveau sur la montagne, lui seul.
15Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra..
16Quand le soir fut venu, ses disciples descendirent au bord de la mer.
16Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany.
17Etant montés dans une barque, ils traversaient la mer pour se rendre à Capernaüm. Il faisait déjà nuit, et Jésus ne les avait pas encore rejoints.
17Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
18Il soufflait un grand vent, et la mer était agitée.
18Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra.
19Après avoir ramé environ vingt-cinq ou trente stades, ils virent Jésus marchant sur la mer et s'approchant de la barque. Et ils eurent peur.
19Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. [Na: dimy na enina kilometatra]
20Mais Jésus leur dit: C'est moi; n'ayez pas peur!
20Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
21Ils voulaient donc le prendre dans la barque, et aussitôt la barque aborda au lieu où ils allaient.
21Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.
22La foule qui était restée de l'autre côté de la mer avait remarqué qu'il ne se trouvait là qu'une seule barque, et que Jésus n'était pas monté dans cette barque avec ses disciples, mais qu'ils étaient partis seuls.
22Nony ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
23Le lendemain, comme d'autres barques étaient arrivées de Tibériade près du lieu où ils avaient mangé le pain après que le Seigneur eut rendu grâces,
23kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,-
24les gens de la foule, ayant vu que ni Jésus ni ses disciples n'étaient là, montèrent eux-mêmes dans ces barques et allèrent à Capernaüm à la recherche de Jésus.
24koa nony hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an'i Jesosy.
25Et l'ayant trouvé au delà de la mer, ils lui dirent: Rabbi, quand es-tu venu ici?
25Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan'ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
26Jésus leur répondit: En vérité, en vérité, je vous le dis, vous me cherchez, non parce que vous avez vu des miracles, mais parce que vous avez mangé des pains et que vous avez été rassasiés.
26Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
27Travaillez, non pour la nourriture qui périt, mais pour celle qui subsiste pour la vie éternelle, et que le Fils de l'homme vous donnera; car c'est lui que le Père, que Dieu a marqué de son sceau.
27Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.
28Ils lui dirent: Que devons-nous faire, pour faire les oeuvres de Dieu?
28Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?
29Jésus leur répondit: L'oeuvre de Dieu, c'est que vous croyiez en celui qu'il a envoyé.
29Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30Quel miracle fais-tu donc, lui dirent-ils, afin que nous le voyions, et que nous croyions en toi? Que fais-tu?
30Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
31Nos pères ont mangé la manne dans le désert, selon ce qui est écrit: Il leur donna le pain du ciel à manger.
31Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24).
32Jésus leur dit: En vérité, en vérité, je vous le dis, Moïse ne vous a pas donné le pain du ciel, mais mon Père vous donne le vrai pain du ciel;
32Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
33car le pain de Dieu, c'est celui qui descend du ciel et qui donne la vie au monde.
33Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao.
34Ils lui dirent: Seigneur, donne-nous toujours ce pain.
34Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35Jésus leur dit: Je suis le pain de vie. Celui qui vient à moi n'aura jamais faim, et celui qui croit en moi n'aura jamais soif.
35Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
36Mais, je vous l'ai dit, vous m'avez vu, et vous ne croyez point.
36Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
37Tous ceux que le Père me donne viendront à moi, et je ne mettrai pas dehors celui qui vient à moi;
37Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
38car je suis descendu du ciel pour faire, non ma volonté, mais la volonté de celui qui m'a envoyé.
38Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
39Or, la volonté de celui qui m'a envoyé, c'est que je ne perde rien de tout ce qu'il m'a donné, mais que je le ressuscite au dernier jour.
39Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy.
40La volonté de mon Père, c'est que quiconque voit le Fils et croit en lui ait la vie éternelle; et je le ressusciterai au dernier jour.
40Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
41Les Juifs murmuraient à son sujet, parce qu'il avait dit: Je suis le pain qui est descendu du ciel.
41Dia nimonomonona tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
42Et ils disaient: N'est-ce pas là Jésus, le fils de Joseph, celui dont nous connaissons le père et la mère? Comment donc dit-il: Je suis descendu du ciel?
42Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
43Jésus leur répondit: Ne murmurez pas entre vous.
43Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
44Nul ne peut venir à moi, si le Père qui m'a envoyé ne l'attire; et je le ressusciterai au dernier jour.
44Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
45Il est écrit dans les prophètes: Ils seront tous enseignés de Dieu. Ainsi quiconque a entendu le Père et a reçu son enseignement vient à moi.
45Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy.
46C'est que nul n'a vu le Père, sinon celui qui vient de Dieu; celui-là a vu le Père.
46Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui croit en moi a la vie éternelle.
47Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48Je suis le pain de vie.
48Izaho no mofon'aina.
49Vos pères ont mangé la manne dans le désert, et ils sont morts.
49Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
50C'est ici le pain qui descend du ciel, afin que celui qui en mange ne meure point.
50Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51Je suis le pain vivant qui est descendu du ciel. Si quelqu'un mange de ce pain, il vivra éternellement; et le pain que je donnerai, c'est ma chair, que je donnerai pour la vie du monde.
51Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
52Là-dessus, les Juifs disputaient entre eux, disant: Comment peut-il nous donner sa chair à manger?
52Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
53Jésus leur dit: En vérité, en vérité, je vous le dis, si vous ne mangez la chair du Fils de l'homme, et si vous ne buvez son sang, vous n'avez point la vie en vous-mêmes.
53Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54Celui qui mange ma chair et qui boit mon sang a la vie éternelle; et je le ressusciterai au dernier jour.
54Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
55Car ma chair est vraiment une nourriture, et mon sang est vraiment un breuvage.
55Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
56Celui qui mange ma chair et qui boit mon sang demeure en moi, et je demeure en lui.
56Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
57Comme le Père qui est vivant m'a envoyé, et que je vis par le Père, ainsi celui qui me mange vivra par moi.
57Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
58C'est ici le pain qui est descendu du ciel. Il n'en est pas comme de vos pères qui ont mangé la manne et qui sont morts: celui qui mange ce pain vivra éternellement.
58Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
59Jésus dit ces choses dans la synagogue, enseignant à Capernaüm.
59Izany teny izany no nolazainy tao amin'ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
60Plusieurs de ses disciples, après l'avoir entendu, dirent: Cette parole est dure; qui peut l'écouter?
60Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
61Jésus, sachant en lui-même que ses disciples murmuraient à ce sujet, leur dit: Cela vous scandalise-t-il?
61Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
62Et si vous voyez le Fils de l'homme monter où il était auparavant?...
62Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo.
63C'est l'esprit qui vivifie; la chair ne sert de rien. Les paroles que je vous ai dites sont esprit et vie.
63Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
64Mais il en est parmi vous quelques-uns qui ne croient point. Car Jésus savait dès le commencement qui étaient ceux qui ne croyaient point, et qui était celui qui le livrerait.
64Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
65Et il ajouta: C'est pourquoi je vous ai dit que nul ne peut venir à moi, si cela ne lui a été donné par le Père.
65Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.
66Dès ce moment, plusieurs de ses disciples se retirèrent, et ils n'allaient plus avec lui.
66Hatramin'izany dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. [Na: Noho izany]
67Jésus donc dit aux douze: Et vous, ne voulez-vous pas aussi vous en aller?
67Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
68Simon Pierre lui répondit: Seigneur, à qui irions-nous? Tu as les paroles de la vie éternelle.
68Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay.
69Et nous avons cru et nous avons connu que tu es le Christ, le Saint de Dieu.
69Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra.
70Jésus leur répondit: N'est-ce pas moi qui vous ai choisis, vous les douze? Et l'un de vous est un démon!
70Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.
71Il parlait de Judas Iscariot, fils de Simon; car c'était lui qui devait le livrer, lui, l'un des douze.
71Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.