French 1910

Malagasy

Psalms

102

1Prière d'un malheureux, lorsqu'il est abattu et qu'il répand sa plainte devant l'Eternel. Eternel, écoute ma prière, Et que mon cri parvienne jusqu'à toi!
1[Fitarainan'ny mpanompon'Andriamanitra noho ny fahoriana nahazo azy sy ny naharavan'i Jerosalema] Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
2Ne me cache pas ta face au jour de ma détresse! Incline vers moi ton oreille quand je crie! Hâte-toi de m'exaucer!
2Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
3Car mes jours s'évanouissent en fumée, Et mes os sont enflammés comme un tison.
3Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
4Mon coeur est frappé et se dessèche comme l'herbe; J'oublie même de manger mon pain.
4Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
5Mes gémissements sont tels Que mes os s'attachent à ma chair.
5Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.
6Je ressemble au pélican du désert, Je suis comme le chat-huant des ruines;
6Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
7Je n'ai plus de sommeil, et je suis Comme l'oiseau solitaire sur un toit.
7Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
8Chaque jour mes ennemis m'outragent, Et c'est par moi que jurent mes adversaires en fureur.
8Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
9Je mange la poussière au lieu de pain, Et je mêle des larmes à ma boisson,
9Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
10A cause de ta colère et de ta fureur; Car tu m'as soulevé et jeté au loin.
10Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
11Mes jours sont comme l'ombre à son déclin, Et je me dessèche comme l'herbe.
11Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
12Mais toi, Eternel! tu règnes à perpétuité, Et ta mémoire dure de génération en génération.
12Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
13Tu te lèveras, tu auras pitié de Sion; Car le temps d'avoir pitié d'elle, Le temps fixé est à son terme;
13Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
14Car tes serviteurs en aiment les pierres, Ils en chérissent la poussière.
14Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
15Alors les nations craindront le nom de l'Eternel, Et tous les rois de la terre ta gloire.
15Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;
16Oui, l'Eternel rebâtira Sion, Il se montrera dans sa gloire.
16Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
17Il est attentif à la prière du misérable, Il ne dédaigne pas sa prière.
17Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
18Que cela soit écrit pour la génération future, Et que le peuple qui sera créé célèbre l'Eternel!
18Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;
19Car il regarde du lieu élevé de sa sainteté; Du haut des cieux l'Eternel regarde sur la terre,
19Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
20Pour écouter les gémissements des captifs, Pour délivrer ceux qui vont périr,
20Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty, [Heb. zanaky ny fahafatesana]
21Afin qu'ils publient dans Sion le nom de l'Eternel, Et ses louanges dans Jérusalem,
21Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22Quand tous les peuples s'assembleront, Et tous les royaumes, pour servir l'Eternel.
22Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.
23Il a brisé ma force dans la route, Il a abrégé mes jours.
23Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
24Je dis: Mon Dieu, ne m'enlève pas au milieu de mes jours, Toi, dont les années durent éternellement!
24Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
25Tu as anciennement fondé la terre, Et les cieux sont l'ouvrage de tes mains.
25Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.
26Ils périront, mais tu subsisteras; Ils s'useront tous comme un vêtement; Tu les changeras comme un habit, et ils seront changés.
26Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
27Mais toi, tu restes le même, Et tes années ne finiront point.
27Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]
28Les fils de tes serviteurs habiteront leur pays, Et leur postérité s'affermira devant toi.
28Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]