French 1910

Malagasy

Psalms

16

1Hymne de David. Garde-moi, ô Dieu! car je cherche en toi mon refuge.
1[Ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana] Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
2Je dis à l'Eternel: Tu es mon Seigneur, Tu es mon souverain bien!
2Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
3Les saints qui sont dans le pays, Les hommes pieux sont l'objet de toute mon affection.
3Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra]
4On multiplie les idoles, on court après les dieux étrangers: Je ne répands pas leurs libations de sang, Je ne mets pas leurs noms sur mes lèvres.
4Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.
5L'Eternel est mon partage et mon calice; C'est toi qui m'assures mon lot;
5Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
6Un héritage délicieux m'est échu, Une belle possession m'est accordée.
6Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
7Je bénis l'Eternel, mon conseiller; La nuit même mon coeur m'exhorte.
7Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. [Na: mamporisika][Heb: voako]
8J'ai constamment l'Eternel sous mes yeux; Quand il est à ma droite, je ne chancelle pas.
8Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
9Aussi mon coeur est dans la joie, mon esprit dans l'allégresse, Et mon corps repose en sécurité.
9Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro]
10Car tu ne livreras pas mon âme au séjour des morts, Tu ne permettras pas que ton bien-aimé voie la corruption.
10Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny lavaka Hianao.[Heb: Sheola][Heb: hahita][Na: ho tratry ny lò]Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
11Tu me feras connaître le sentier de la vie; Il y a d'abondantes joies devant ta face, Des délices éternelles à ta droite.
11Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.