French 1910

Malagasy

Psalms

21

1Au chef des chantres. Psaume de David. Eternel! le roi se réjouit de ta protection puissante. Oh! comme ton secours le remplit d'allégresse!
1[Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!
2Tu lui as donné ce que désirait son coeur, Et tu n'as pas refusé ce que demandaient ses lèvres. -Pause.
2Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.
3Car tu l'as prévenu par les bénédictions de ta grâce, Tu as mis sur sa tête une couronne d'or pur.
3Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
4Il te demandait la vie, tu la lui as donnée, Une vie longue pour toujours et à perpétuité.
4Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
5Sa gloire est grande à cause de ton secours; Tu places sur lui l'éclat et la magnificence.
5Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
6Tu le rends à jamais un objet de bénédictions, Tu le combles de joie devant ta face.
6Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.
7Le roi se confie en l'Eternel; Et, par la bonté du Très-Haut, il ne chancelle pas.
7Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
8Ta main trouvera tous tes ennemis, Ta droite trouvera ceux qui te haïssent.
8Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
9Tu les rendras tels qu'une fournaise ardente, Le jour où tu te montreras; L'Eternel les anéantira dans sa colère, Et le feu les dévorera.
9Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
10Tu feras disparaître leur postérité de la terre, Et leur race du milieu des fils de l'homme.
10Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany]
11Ils ont projeté du mal contre toi, Ils ont conçu de mauvais desseins, mais ils seront impuissants.
11Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
12Car tu leur feras tourner le dos, Et avec ton arc tu tireras sur eux.
12Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
13Lève-toi, Eternel, avec ta force! Nous voulons chanter, célébrer ta puissance.
13Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.